Fandaharan’asa « Ny feon’ny zava-manan’aina » : Mikendry ny hamerina ny hasin’ny fomba amam-panao nentim-paharazana

Zavamanaina

Notanterahana tamin’ny faha-04 jona lasa teo ny fihaonambe voalohany amin’ny fandaharan’asa  » Ny feon’ny zava-manan’aina » an’ny laboratoara oseana Indiana mikasika  ny fototra ho an’ny fanavaozana ny demokrasia .Tetik’asa izay mifandraika indrindra amin’ny fitantanana demokratika, ny fahalalana ifotony ary ny fomba fijery momba ny zavamananaina eo amin’ireo fiarahamonina ao amin’ireo nosy , ao amin’ny Ranomasimbe Indianina.

« Ny lahatenin’ny zava-manan’aina momba ny velona » , io no lohahevitra nifantohana nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Profesora Ramisandrazana Rakotoariseheno, mpahay tantara no sady 

« anthropologue ». Ity farany izay nanamafy fa manana ny hasiny ny tontolo iainana ary ilaina amin’ny fomba amam-panao  izany.

Nambaran’ity mahay tantara ity fa tanjona sy fanamby hoan’ny fototra  hoan’ny fanavaozana ny demokrasia ny hampiroborobo amin’ny alalan’ity fandaharanasa ity ny fikarohana, ny fahalalana sy ny  fahaiza-manao avy amin’ny tontolo akademika, artistika ary ny  nentim-paharazana izay  manana ny hasiny tokoa kanefa matetika tsy dia mahazo sehatra loatra.

« Ny fanorenana ny demokrasia Dia milaza fa misy zavatra very tokony karohana aty Afrika manontolo dia ny fomba amam-panao, ny fomban-drazana ary Ila fahalalana tranainy.Ireo no ezahana fohazina satria raha tsy fantatsika ireny dia maty nonoka fotsiny. Milaza ihany koa io demokrasia amin’ny fanorenana io fa tsy Ilay demokrasia tandrefana ihany no  mety sy mandaitra fa efa niaina izany demokrasia izany ny mponina rehetra taty Afrika »,hoy ny  fanampim-panazavàny.

Manoloana ny fiovan’ny toetrandro, ny fahasimban’ny zava-boahary ary ny olana amin’ny fitantanana ireo harena voajanahary, dia manolotra andian-dinika iraisan’ny faritra ity fandaharan’asa « Ny feon’ny zava-manan’aina  ity hanamoràna  ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo mpikaroka, mpanao asa tanana, artista ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fiaraha-monina. Tanjona ny hampitovy ny  fijery momba ny fitantanana maharitra ireo loharanon-karena, ary hanamafy ihany  koa ny fanekena ny fahalalana avy amin’ny mponina ifotony.

Marihina fa Ireo  mpiara-miombon’antoka toy ny AFD, IFM, IRD no hahetsika ao anatin’ity tetikasa ity, mba hahazoana antoka ny faharetan’ny hetsika iaraha-mientana .

Ankoatra ny  Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiantifika,  manohana ity tetik’asa ity ihany koa  ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra.