Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana: Hifantoka amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny fako plastika

Aje

 

« Mettre fin à la pollution plastique mondiale ». Io no lohahevitra nosafidian’ny firenena mikambana ho an’ny firenena rehetra maneran- tany mandritra ny fanamarihana  ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana na ny JME  rahampitso 05 jona.

Hatreto,  mbola mipetraka ho olana goavana hoan’ny ankamaroan’ireo firenena manerana an’izao tontolo izao ny firoboroboan’ny famokarana sy ny fiparitahan’ny fako plastika, antony nisafidianana io lohahevitra io. 

Araka ny fanazavan’i Dr Salama Jean Claude, « Expert en Eco-toxicologie « , nandritra ny fihaonany tamin’ny fikambanan’ny mpanao gazety misehatra eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana na ny AJE , dia miteraka tsy fahasalamana hoan’ny mponina  ary manimba ny tontolo iainana ny fisiana solika fandrehatra na « pétrole  » ao anatin’ny  plastika. Tsy lazaina intsony ny  fahatsetseman’ny tatatra sy ny lakan-drano eto an-drenivohitra noho ny fiparitahan’ireo fako plastika.

  » Ilay « molécules de pétrole » na « molécule des hydrocarbures »  mialevona iny no tonga eny amin’ny rano, ny rivotra, ny tany ary ny zavamaniry ka mamono azy ireo. Izany hoe efa manomboka  miparitaka hatrany anaty rano fisotro sy ny biby an- dranomasina ary ny zava-maniry  io singa  io ka miteraka tsy fahasalamana sy mandoto ary manimba ny tontolo iainana », hoy ny fanampim-panazavàny. 

Raha ny voalaza hatrany,   an-taonany maro vao levona ny fako  plastika izay mitotaly 10 isan-jato amin’ireo fako 1700 metatra kioba raofina isanandro. Raha ny « bidon jaune » fotsiny izao no asian-dresaka,  mahatratra hatrany amin’ny 500 taona izy ireny vao levona tanteraka. Mandritra izay fotoana izay anefa, dia mihamafy ny fiparitahan’ilay « molécule des hydrocarbures »  indrindra  rehefa danian’ny masoandro. Zava-misy izay ilàna fiheverana faran’izay haingana sy ilàna ny fandraisan’andraikitry ny rehetra.

Raha efa mandroso be any  amin’ny resaka   fifehezana ny  plastika i Suisse sy i Belgique, mbola tsy manana lalàna mazava mamaritra ny  sazy sy ny  mahakasika ny famokarana , ny fampiasàna ary ny fifehezana ny plastika i Madagasikara.  Nisy ihany ny fametrahana   ny lalàna 2017- 010 izay naha-voakasika ireo sehatra rehetra , tafiditra tao anatin’izany ny  indostria, ny varotra ,  ny sehatry ny fahasalamana sy  ny maro hafa saingy tsy nohampiarina akory izany. 

Marihina fa efa maro ny fivoriambe nokarakarain’ny firenena mikambana mikasika ny famokarana  plastika maneran-tany  ary efa napetraka nandritra izany ny « International Negociation Commity » na ny INC.Nanapakevitra ny hanao  fifanarahana mikasika ny fitantanana ny plastika manerantany ihany koa ity fikambanana iraisam-pirenena ity ka amin’ny volana aogositra ho avy izao, mandritra ny fivoriambe fahadimy no hahafantarana ny mikasika  izany.

« Na mivoaka na tsia  io « traité » io dia mila apetraka ny rija-teny izay mety ho lalàna , mety ho didy , mety ho sata , eny mety ho rafitra eto amin’ny firenena mikasika ny fitantanana ny plastika satria sarotra ny hanao  » zéro plastique » noho  ireo akora rehetra ampiasaina eto amin’ny firenena dia saika  plastika avokoa. Tokony apetraka ara-dalàna ary eken’ny rehetra izany, anisany ireo mpamokatra raha te hanamaivana ny voka-dratsy ateraky ny fiparitahan’ny  fako plastika. Apetraka ihany koa ny fanabeazana ny olom-pirenena ny amin’ny tsy tokony  hanariana  ireo fako plastika eny rehetra eny », hoy hatrany ny nambaran’ny Dr Salama Jean Claude.

Ankoatra izay, nohamafisiny ihany koa  fa mila apetraka  ny « Résponsabilité  Elargie de Producteur » na ny REP  izay mahakasika ireo mpamokatra. Ireto farany izay nambarany fa tsy mieritreritra akory afa-tsy ny famokarana sy ny fampiasàna , raha toa ka tsy mivaky loha ary  tsy manam-bahaolana ny amin’ny fako aterak’ireo plastika. Raha tsy mipetraka izay voalaza, dia hitombo  foana ny olana ateraky ny fako plastika eto amin’ny firenena.

Ara-tantara, Tamin’ny taona 1862 no namokarana ny plastika voalohany ka anisan’izany ny « sachet »  sy ny tavoahangy. Tamin’ny taona 1907 kosa  no nanomboka niroborobo ny indostria sy ny teknolojia ka nanomboka teo dia tsy  nisy fitsaharany ny famokarana ireo karazana plastika .

Tamin’ny taona 1973 kosa no nanombohana nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana na ny  JME . « Une  seule planète terre » no lohahevitra napetraky ny firenena mikambana tamin’izany. Niova isan-taona araka ny zava-nisy manerana izao tontolo izao ny lohahevitra banjinina , ka izao tonga amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny fako plastika izay miteraka olana maneran-tany  izao izany , amin’ity JME 2025 ity.