CENI: MBA HO FIFIDIANANA AZO ANTOKA

Araka ny tatitra izay navoakan’ny CENI androany 21 jolay 2023 dia niisa 11.014.836 ny fitambaran’ireo olom-pirenena voasoratra anarana tao anatin’ny lisim-pifidianana taorian’ny fanavaozana tanteraka sy famaranana ny rejisim-pifidianana nasionaly.

Nisy fitomboana 293.902 ny antotanisa raha nampitahana nisoratra anarana tamin’ny taona 2021-2022, izay nahitana 10.749.934 raha toa ka 48,54% ny mpifidy voasoratra anarana vehivavy, raha 51,46% kosa ny lehilahy, izany hoe 81,25% ny taham-pisoratana anarana.

Tanjona napetraky ny CENI tany ampiandohana ny hanana mpifidy 13.500.000 mahery .

Raha 1.924.648 kosa ny olom-pirenena efa tafiditra tamin’ny fanavaozana (RALE ) farany nefa tsy tafiditra tamin’ity fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ity. Misy nefa ireo olona no tsy tafiditra mihitsy, mety ho olona vao nanao kara-panondro na efa feno taona fa tsy tafiditra tao anatin’ny RALE, izay 624.522.

Araka nambarany filohan’ny CENI DAMA Arsène Andrianarisedo dia manana adidy sy andraikitra ny mpisehatra rehetra ny amin’ny nantanterahana ny fanisana. Ary izay no anamporofoana fa vohaja ny lalàna ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy .

Fanintsiana sisa no azo atao hoy ihany nambarany fa tsy misy intsony ny fampiditra olona vaovao ao anatin’ny lisim-pifidianana, io no entina hiantrehana ny fifidianana rehetra izay atao eto Madagasikara.

Manome toky anefa ny CENI fa andraikitr’izy ireo ny manao izay hampahazo antoka io fifidianana io, ka tokony ho marina avokoa ny mombamomban’ny mpifidy nisoratra anarana rehetra tao anatin’ny lisim-pifidianana nohon’ny fitsirihana sy fankatoavana nataon’ny CENI. Hiezaka ny CENI nanaramaso ny amin’ny tsy hiverimberenanan’ny anarana any anaty lisitra raha ny nambarany hatrany.

📌Olivia R.

📌Andry

📌RH

207 réflexions sur “CENI: MBA HO FIFIDIANANA AZO ANTOKA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *