Mankahery an-dry Zouzar Bouka – fianakaviana Malagasy – telo mianaka isika – noho izy ireo miatrika ilay dingana sarotra indrindra amin’izao.
» Sarotra ny lalana ary tena fanamby vaventy no atrehana kanefa amin’ny endrika faly hatrany no hasetrinay izany. Manome hery anay ny fampaherezana avy aminareo. Ny teto #Khumbu_Icefall no tena mafy kanefa tsy maintsy nihoarana ny sakana samihafa nisy : hatsiaka – lalana mideza … » , hoy Zouzar Bouka – mpitarika an’ireo zanany roa lahy anatin’izao fanamby hiakatra ilay tendrombohitra Everest any Népal izao.

Tsy miova ny tanjona : ho Malagasy voalohany hametraka ny sainam-pirenena ary hanofahofa izany eny amin’io tendrombohitra avo indrindra maneran-tany io. ( Madagascar et l’Everest )
Mafy, sarotra , ary tsy vitan’ny olona mora kivy anefa izany. Fanomanana tsy vita anatin’ny andro vitsy, dia an-tongotra anaty laneizy mangatsiaka …fanamby goavana ity atrehin’ireto fianakaviana malagasy telo mianaka ireto.
Vita ny fiomanana rehetra teny amin’ny toby fototra ( camp 1, camp 2 , camp 3 ) nanomanana
ny fitaovana sy fanamafisana ny fanazaran-tena hiatrika ilay dingana farany : dia ny dian-tongotra 10 andro miodidina mianika eny amin’ilay tendron’ny tendrombohitra Everest.
Ity dingana ity no tena mafy indrindra sy mampatahotra kanefa efa nitafy hery sy finiavana fa tsy maintsy ho tody eny amin’io tendrombohitra avo indrindra Everest io ry Zouzar Bouka telo mianaka. Mirary soa azy ireo hatrany isika mba ho tody soa amin’izany tanjona izany izy ireo.