


Androany 10 Marsa 2025 no fiandohan’ny fotoam-pivoriana andiany voalohan’ireo mpikambana ao anatin’ny Filankevim-pitantanan’ny Andrin’ny Mari-boninahim-pirenena na ny Grande Chancellerie, izay atao etsy amin’ny foibe toerany etsy Antsakaviro. Tonga nanokatra amin’ny fomba ofisialy izany fivoriana izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay Filoha faratampon’ny Mari-boninahim-pirenena, na Grand maître de l’Ordre national Malagasy.
Nandritra ity lanona ity ihany koa no nanolorana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Filankevim-pitantanan’ity Grande Chancellerie ity, na ny antsoina hoe Conseil de l’Ordre izay tarihin’ny Grand Chancellier izay ny jeneraly misotro ronono Ranjeva Marcel. Mandritra ny 5 taona ny fe-potoam-pintantanan’ireo mpikambana vaovao ao amin’ izany Filakevim-pitantanana izany, ary miisa 12 izy ireo, ary roa isaky ny faritany. Ireto avy araka izany izy ireo :
Rakotonarivo Donatella (province Antananarivo)
Vice-amiral Rakotoarisoa Marie Jean Lucien (province Antananarivo)
Imbiky Anaclet (province Toamasina)
Pr Mangalaza Eugene (province Toamasina)
General Manakany Sylvere Claude Regis (province Toliara)
Andreas Monique Rasoanirina Esoavelomandroso (province Toliara)
Antoine (province Mahajanga)
Soudjay Bachir Adehame (province Mahajanga)
Jean (province Antsiranana)
Manorohanta Cecile Marie Ange (province Antsiranana)
Pere Ratongavao Charles Raymond (province Fianarantsoa)
Razafimanana Jean de Dieu (province Fianarantsoa)
FILOHA VOALOHANY NITSIDIKA NY GRANDE CHACELLERIE
Mifanojo amin’ny faha 65 taonan’ny nijoroan’ny Andrin’ny Mari-boninahim-pirenena ihany koa ity taona 2025 ity. Nomarihin’ny jeneraly misotro ronono Ranjeva Marcel fa ny filoha Rajoelina Andry no Filoham-pirenena voalohany nitsidika ny Grande Chancellerie tao anatin’izay 65 taona nijoroany izay.
Ho fanamarihana izany dia nangataka ity jeneraly misotro ronono ity mba ho atao andron’ny Mari-boninahim-pirenena ny datin’ny 10 Marsa izay nandraisan’ny Grande Chancellerie voalohany ny nandraisana voalohany ny Filoha fara-tampon’ny mari-boninahim-pirenena. Ho setrin’izany hatrany koa dia notolorana ny Filoha Rajoelina ny “medaille” misy ny logon’ny mari-boninahim-pirenena izay mitondra ny laharana voalohany, ary misy ny aran’ny Filoha sy ny daty androany ao an-damosiny.
Nandritra ity lanonana androany ity ihany koa dia natolotra ny filoha Rajoelina ny dika voalohany amin’ny boky natontan’ny Grande Chancellerie izay mirakitra ny vokatry ny fanadihadiana mahakasika ny tantaran’ny mari-boninahim-pirenena. “Ny mari-boninahim-pirenena Malagasy mantsy no mari-pankasitrahana ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Noho izany dia tokony manome lanja an’io mari-boninahitra io ireo olona rehetra misitraka azy”, hoy ny jeneraly misotro ronono Ranjeva Marcel. “Ny zavatra hajaina nefa dia ny zavatra tiana, ary ny zavatra tiana dia ny zavatra fantatra”, hoy hatrany izy. Koa izay no antony nametrahana ny fanamby amokarana boky mahakasika ny mari-boninahitra ampahafantarana izany ho an’ny daholobe.
TSY OMEM-POTSINY NY MARI-BONINAHIM-PIRENENA
Ho fanamarihana ny faha 65 taona nijoroan’ny Andrin’ny Mari-boninahim-pirenena hatrany dia nanolotra fanomezana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Conseil de l’Ordre ny Filoham-pirenena. Fanaka ho atao birao fiasana vita amin’ny sikotra izany fanomezana izany, ary ho vita sy ho apetraka mialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 Jona ho avy izao. Nandritra ity lanonam-panokafana ny fivorian’ny Conseil de l’Ordre ity ihany koa dia nampita hafatra ho azy ireo ny filoha Rajoelina Andry.
Notsiahivin’ny Filoham-pirenena sady Filoha fara-tampon’ny Mari-boninahim-pirenena fa “izay rehetra miady ho an’ny fiandrianam-pirenena, miady ampiakatra avo ny ambopom-pirenena sy ny voninahim-pirenena dia mendrika fankasitrahana ho lasa modely fanka-tahaka ho an’ny fiaraha-monina. Izany indrindra no nametrahako nanomboka ny taona 2019, fa tsy omem-potsiny ny mari-boninahim-pirenena fa natokana ho an’ireo izay tena nanao asa mivaingana sy azo tsapain-tanana ho an’ny Tanindrazana”.
Nanome toromarika an’ireo mpikambana ao amin’ny Conseil de l’Ordre araka izany ny filoha Rajoelina “mba ho tena mari-pankasitrahana natokana ho an’izay tena nanao ezaka miavaka ho an’ny Tanindrazana no tolorana izany mari-boninahitra izany. Ary ho porofo fa tsy mora azo fotsiny fa fankasitrahana lehibe no atolotra ho an’ireo izay voafantina”. Ary notsindriny “fa ny fahazoana mari-boninahitra dia mamporisika ny tsirairay avy anao ny soa sy ny tsara hatrany amin’ny asa sy ny andraikitra sahaniny ho an’ny tanindrazana. Izay mahazo izany dia tokony ho modely ho an’ny fianakaviana, amin’ny fiaraha-monina misy azy, amin’ny firenena iray manontolo, na amin’ny fitondran-tena, na amin’ny soatoavina, fa indrindra amin’ny fanoloran-tena ampiakatra avo hatrany ny hasin’ny Tanindrazana sy ny voninahim-pirenena”.