FFKM: MANATANTERAKA FIHAONAMBE ENY AMIN’NY Fofikri Ilafy

FFKM: MANATANTERAKA FIHAONAMBE ENY AMIN’NY Fofikri Ilafy

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 29 Marsa 2023 ary haharitra hatramin’ny faha 31 Marsa 203 ny FIHAONAMBEN’NY FFKM izay hatao eny amin’ny FOFIKRI ILAFY Avaradrano. Ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy mandrafitra ny FFKM dia ny Pasteur Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi ( FJKM ) – ny Mgr Samoela Jaona RANARIVELO ( EEM) – ny Rév Dr RAKOTOZAFY Dénis ( FLM) – ny Mgr Odon RAZANAKOLONA no mitarika izany.

Ireo solontenam-piangonana avy amin’ny fiangonana efatra mandrafitra ny FFKM aloha ireto mivory ireto.

Nosokafana tamin’ny Fotoam-pivahana Iraisam-pinoana tao amin’ny FJKM Ambohimpanja Fitiavana – moa ny fotoana- izay nitondrana ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny Jer 1 : 10 : Dikateny Iombonana:

“Jereo fa omeko fahefana ianao amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava ary hanorina sy hamboly indray”.

Tanjona amin’izao fihaonambe izao ny hanamafisana ny Ekiomenisma sy
hamelomana indray ny ANDRIMASO FFKM. Inoana ihany koa fa hisy ny fehin-kevitra sy fanambarana mikasika ny raharaham-pirenena aorian’izao fihanaombe izao.

258 réflexions sur “FFKM: MANATANTERAKA FIHAONAMBE ENY AMIN’NY Fofikri Ilafy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *