VONDRONA PANORAMA : HANARA-MASO NY FANOMANANA FIFIDIANANA

Hanaramaso ny fanomanana ny fifidianana manontolo ny vondrona Panorama.

 Fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalana no antom-pisian’ny Vondrona Panorama. Vonona hiady sy hiaro ny fiainan’ny vahoaka malagasy ihany koa no tena antom-pisiany.

Vonona hijoro sy hitondra ny hetahetan’ny malagasy, indrindra amin’izao fotoam-pifidianana. Hita sy tsapa manko hoy ny mpikambana ao amin’ny Vondrona,fa tena tsy manara-dalana ny fanomanana ny fifidianana,tsy araka ny tokony ho izy ihany koa ny fanisana hataon’ny vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana na ny CENI, ireo mpifidy ao anaty lisi-pifidianana.

 Manoloana ireo lesoka rehetra hita ireo,dia nanapa-kevitra ny Vondrona Panorama,izay hivondronan’ireo antoko politika mpanohitra maro,toy ny HVM,MTS,Ampela Manao Politika,TIM,OTRIKAFO,sy ireo maro hafa fa hirotsaka an-tsehatra hialana amin’ireo halatra rehetra mialoha,mandritra ary ao aorian’ny fifidianana.

Nanangona: Alex R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *