Christine Razanamahasoa: “ MITAKY NY PM sy MINISITRA 10 “

Nandritra ny kabary nataon’I Christine Razanamahasoa – Filohan’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny , nandritra ny hetsiky ny FIZAFIFI  na ny Fikambanan’ny Zanakin’ny faritanin’i Fianarantsoa tany Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo no nanambarany fa tokony omena azy ireo ny toeran’ny Praiminisitra sy Minisitra miisa 10.

Hoy Ramatoa Razanamahasoa Christine: “ Omenay anao (filoha Andry Rajoelina) ny vatonay, fa omeo anay Mahazoarivo (PM), sy Tsimbazaza (AN). Tsy tokony ho latsakin’ny 10 ny minisitra avy aty Fianarantsoa ao anaty Governemanta”…..

Marobe ireo solombavambahoaka zanaky Fianarantsoa nanao Sonia ilay fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra Ntsay Christian no hita nijoro nandritra ity kabary ity –raha tsy hitanisa afa-tsy ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa.

Ho an’I Virapin Ramamonjisoa – izay efa minisitra no sady ambasadaoro – zanaky Fianarantsoa dia mendrika dia mendrika ireny kabary ireny satria mijery ny mahasoa ny tany niaviany no dikany.

Ho an’ny Paraina Auguste – zanaky ny faritany Fianarantsoa ihany koa no sady kandida Filoham-pirenena kosa dia tsy nifanarahana iny kabary nation-dramatoa Christine Razanamahasoa iny.

#kabary

#mitaky_pm

#christine_razanamahasoa

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *