SOAVINANDRIANA ITASY : NANAMAFY NY FANOHANANY NY KANDIDA LAHARANA FAHA TELO

Rehefa avy ao Analavory – dia tao Soavinandriana Itasy no toerana notsidihan’ny kandida laharana fahatelo – ny talata 24 oktobra 2023. Nifanao velirano tamin’i Andry Rajoelina  fa  hanova ny tantara amin’ny alalan’ny fifidianana ny mponina ao Soavinandriana Itasy. Hifidy ny kandida laharana faha3 izy ireo amin’ny 16 novambra izao. Nanangan-tanana ny vahoaka rehefa nanontanian’ny kandida Rajoelina Andry fa iza no vonona hiara-hampandroso aminy.

ITY NY VIDEO MIKASIKA NY KABARIN’NY KANDIDA ANDRY RAJOELINA TAO SOAVINANDRIANA ITASY

Ny tany rehetra an’ny colons sy ireo tany rehetra giazany olona dia ataoko ny hamerenana azy ireny amin’ny fanjakana mba hahafahana mamerina azy amin’ny vahoaka. Nanao trano mora sy building isika fa amin’izao hiezaka hanome na dia tany kely aza mba hahafahany vahoaka manorina. Tsy maintsy atao tonga sy mipaka eo anivon’ny be sy ny maro ny fandrosoana. Tsy maintsy hozaraina masomboly aminy vidiny mirary ny tantsaha. Amin’ny lafiny finoana dia nanampy foana izahay mivady. Misy fiangonana katolika izay alohan’ny hahatongavana eo aminy îlot de la Vierge. Hamboarinay mivady ary alohan’ny farany taona dia ho vita. Mahatsapa ankehitriny ny ankamaroany vahoaka maro an’isa fa niasa ary teo foana ny filoha Andry Rajoelina.  « Incroyable » fa manampy ahy sy manohana ahy ny ankamaroany vahoaka ka izay no antony mbola ijoroako.

Mila maka kara-pifidianana isika ary mila mandeha mifidy aminy 16 novambra. Reko fa misy higafy ka mila miambina ny bureau de vote isika. Isika tsy hanaiky hokorontanina. Izay mijanona any mijanona fa isika miroso ary tsy maintsy tonga any amin’ny ligne d’arrivée. Ao ny sasany mody marary maso ao misy mody marary lamosina.  Efa niteny aho fa vao miainga dia tsy hisy haharaka antsika ireo. Efa noporofoitsika izany tamin’ireo toerana rehetra efa nalehatsika. Mahatoky ny vahoakan’i Soavinandriana Itasy aho aminy 16 novambra. Hanampy anareo amin’ny alalan’ny fanomezana tany ny tantsaha aho amin’ny ho avy.

Ny asa efa natomboka tsy maintsy ho faranana, hoy izy. Vonona hampandany an’i Andry Rajoelina ny vahoaka , izay miandrandra fampandrosoana ho amin’ny 5 taona manaraka. Noho io dia nanamafy AndryRajoelina fa hanampy bebe kokoa ny vahoaka . Ho porofon’izany dia nifanao velirano taminy ireo vahoaka manohana ny antoko fa vonona hanova ny tantaran’ i Madagasikara miaraka aminy, indrindra hanova ny tantaran’i  Soavinandriana, amin’ny alalan’ny fifidianana. « Mba ho hitan’Itasy iray manontolo alohan’ny 16 novambra , raha mino sy manantena ianao fa tsy maintsy mandroso i Madagasikara ary isika tsy maintsy mandresy dia hiaraka hanangana tanana isika hiaraka hanavotra an’i Madagasikara » : hoy ny kandidà Andry Rajoelina sady niaraka nanangan-tanana taminy ny vahoaka be nanatrika teo.

Ho an’ny mponina ao Soavinandriana Itasy dia mazava ny sary fa handa-tsabato ho an’ny laharana fahatelo . Manaporofo izany ny fahatongavan’izy ireo maro nanotrona ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandidà laharana fahatelo . Fikambanana, tanora, vehivavy sy ny fikambanana vehivavy tonga nanatrika izany.

TSAPAKO

« Tsapako fa tia an’i Prezidà Andry Rajoelina ny vahoakan’i Soaviandriana, ary ato am-poko ianaraeo. Miasa isika ary nandritra izay 5taona izay dia nanao fotodrafitrasa akaiky vahoaka ary ilain’ny vahoaka isika . Maneho izany nisy ny ray amandreny nitaraina fa ny zanaka Itasy dia tsy manana sekoly  ary raha misy dia tsy zarizary fa tafo bozaka. Araka izany dia natao ny epp sy ny CEG ao Dondona. Ny mpianatra dia sahirana tsy nisy boky hianarana ka nomena boky avokoa izy ireo , nomena solosaina , tablette. Izany no asa nataon-tsika ary nahatsapany ray aman-dreny. Isika dia hanova tantara , ary betsaka ny zavatra vitan-tsika sy ny mbola ho atao. Mbola tsy afa-po aho fa te -hanova ny tantara eto Soavinandriana Itasy. Hitondra fahasoavana isan-tokatrano , hampitombo ny fidiram-bola isan-tokantrano » ,  hoy ny kandidà laharana fahatelo.

Niaraka nihoraka hoe  Ekena ny vahoaka  ary nasaina nanagan-tanana izy ireo mba ho  fanehoana  fanohanana an’i kandida laharana fahatelo. Ankoatra izay ihany koa ny resaka Université. Be dia be ny zanakay Soavinandriana Itasy no manampahaizana, betsaka ny afaka bakalorea fa tsy tafiditra Université.  90 000 no afaka bakalorea isan-taona fa 30 000 ihany no afaka miditra any amin’ny Université. Tsy ekeko izany fa hanova tantara isika.

Ny sasany mbola mampanantena fa ny antsika efa vita, hoy Andry Rajoelina.

Mila hatevenina ihany koa ny farim-pahaizan’ny mpampianatra. Misy ny seha-pianarana mikasika ny fambolena sy ny fiompiana ho atao ao amin’ny Oniversite ary halefa any ivelany ny mpampianatra mba hanamafy ny fahaizany. Betsaka ny fitondram-panjakana nifandimby saingy rehefa anao zavatra aho dia goavana, anisan’izany ireny kianjan’ny Barea ireny.

 Mila olona manana maso mitsinjo alavitra na  manana vision, olona  naman’ny vahoaka ary akaikin’ny vahoaka eto Madagasikara, hoy ihany Andry Rajoelina. Ny tenako hoy izy no  filoha  anisany nanao fotodrafitra betsaka indrindra ka nazahoatsika ny laharana voalohany tamin’ny « grand bâtisseur ». Ny sekoly naorina 4 198 , ny hopitaly (28), ary ny autoroute izay mbola hatao.

MANDROSO ISIKA …

Isika dia mandroso. Ny faniriako eto Soavinandriana Itasy dia izao :  Ny olona aty dia olona mazoto , mamokatra ka izao ny zavatra hataon-tsika amin’ny manaraka. Hanampy ny tantsaha, ny tanora, ny tsy an’asa ary hanome tany izay mbola tsy manana tany.Efa nanao isika toy ny orinasa fanodinana sakamalaho atao « huile essentiel », nahodina ho akora afaka haondrana any ivelany. Hanampy ny sahirana sy ny marofy aho satria amin’ny fotoana sarotra no ahafantarana ny tena namana.

Mila olona mpitarika isika , ary tsy misy lehibe na kely sy ny fanavakavahana fa hanampy ny isan-tokantrano sy ny marefo aho.

100 andro…

Ao anatin’ny 100 andro voalohany amin’ny fitondrako dia ataoko tonga isan-tokantrano ny fanampiana. Izay teneniko tsy maintsy tanterahiko ary izay rehetra natomboka tsy maintsy ho faranana, hoy ny Andry Rajoelina kandida laharana fahatelo.

163 réflexions sur “SOAVINANDRIANA ITASY : NANAMAFY NY FANOHANANY NY KANDIDA LAHARANA FAHA TELO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *