Marc RAMIARINJATOVO: “ILAINA NY FAMORONAN’ASA”

Mampiavaka ireo mpianatra mivoaka eo anivon’ny ESCAME dia izy ireo mahafehy tsara ny “Business Plan” na Drafitra entina hampadroso ny orinasa iray, izay tsy dia hita loatra any amin’ny oniversite hafa. Na hiasa amin’ireny orinasa efa misy eto an-toerana ireny na hamorona asa ho an’ny tenany dia afaka miatrika izany avy hatrany ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny ISCAME. “ Ilain’ny firenena ny famoronan’asa. Ireo mpianatra avy ato aminay dia afaka miatrika izany avy hatrany.

 Fa ny tena mampiavaka ny Mpianatra ato dia vetivety dia mahafehy fahaiza-manao ny mpianatra araky ny teny filamatra hoe ESCAME: L’école qui vous lance plus vite”, araka ny fanazavan’ny Filoha Tale Jeneralin’ny ESCAME Marc RAMIARINJATOVO.

Diplaoma ara-panjakana ny mivoaka avy ao amin’ny ESCAME ary ny mampiavaka azy dia afaka manohy fianarana any amin’ireo sekoly ambony hafa na eto an-toerana na any am-pitandranomasina ny mpianatra.

Eny Ambaranjana Antananarivo no misy ny sekoly ambony ESCAME ary fantatra amin’ny fanofanana momba ny FITANTANANA sy ny FANDRAHARAHANA nandritra izay 25 taona nijoroany izay.

#escame

#escame_business

#marc_ramiarinjatovo

Araho ny vaovao maro ao anaty https://ledefi.mg

654 réflexions sur “Marc RAMIARINJATOVO: “ILAINA NY FAMORONAN’ASA”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *