KILAN’NY AFO NY BIRAON’NY TALEM-PARITRY NY FAHASALAMANA AO MORONDAVA

Nisehoana haintrano goavana tao Morondava alina. Kilan’ny afo tamin’izany ny biraon’ny Medecin Inspecteur tao an-toerana. Lehilahy lehibe iray ihany koa no maty vokatr’izany haintrano izany.

Raha ny fanazavana azo, dia trano lehibe misy efitra maro ity nirehitra ity.  Tao anatin’izany ny Birao fiasan’ny ny Médecin inspecteur Morondava izay any  ambany rihana, ary fonenan’ny talem-paritry ny Fahasalamana Menabe kosa  ny any ambony.

Avotra soa amantsara ny talem-paritra rehefa nifarimbonan’ny fianakaviana. Voalaza kosa  fa ny rainy ilay namoy ny ainy. Naratra kosa ny vadiny sy olona taizany.

Mbola tsy voafaritra mazava aloha hatreto ny anton’ny loza.

Nifarimbona nanampy tamin’ny famonoana ny afo kosa ny mpiara-monina nampian’ny mpitandro filaminana.

109 réflexions sur “KILAN’NY AFO NY BIRAON’NY TALEM-PARITRY NY FAHASALAMANA AO MORONDAVA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *