SECES Antananarivo : FILANKEVITRA TSY ARA-POTOANA

SECES Antananarivo : HANDRAY NY FILANKEVITRA TSY ARA-POTOANA

📍Nanao fivoriana ny SECES sampana Antananarivo momban’ny fanampahan-kevitra ny nanekena ny fanatanterahana fa eto Antananarivo no anaovana ny “conseil extraordinaire ” eo anivon’ny SECES.

📍Nambaran’izy ireo tao koa fa ny SECES mpampianatra mpikaroka sy ny mpampianatra vacataire dia manamafy ny fitakiana ny mba hijerena manokana ny fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra vacataire eto Antananarivo.

📍Matsikaritra izy ireo fa mihisatra ny famoahana ireo didim-panjakana . Ka manao hantsoavo ny fitondram-panjakana izy ireo mahakasika ny fitakiana ireo . Ny SECES hoy izy manome rariny ny fitakiana ataon’ireo mpampianatra vacataire ka raha tsy mivaha ny olana dia tsy maintsy hiroso amin’ny fampihantoana ny fampianarana ireo mpampianatra vacataire raha ny nambaran’izy ireo hatrany.

Olivia R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *