Gffm : EFA VONONA…

Gffm: VONONA HIATRIKA NA FIFIDIANANA NA TETEZAMITA

Nanatontosa fivoriana lehibe ny antoko politika GFFM (Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara) ny 11Jona 2023 teo. Fivoriana izay famerenana sy fameloma maso ny antoko indray.

Natao tamin’izany koa ny fanovana sy fametrahana ireo birao vaovao mandrafitra ny antoko ka nambarany tao tamin’izany fa ho raisin’ny Pasteur Mahiol na i André Christian Dieu Donné ny fitantanana sy ny fitarihana ny antoko GFFM mandritra ny 5 taona .

Nolazainy tamin’ny fanambarana izay nataony ihany koa fa na tetezamita na fifidianana no misy eto amin’ny firenena dia vonona ary efa miomana amin’izany ny antoko izay tarihany.

Tao ihany koa no nanambarany fa vonona handray izay olona te hiditra ao aminy ny antoko GFFM.

Olivia R.

235 réflexions sur “Gffm : EFA VONONA…

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *