Raharaha Cnaps

“Groupement des Entreprises de Madagascar”: MISY TRANGA AMBADIKA NY FITOKONANA ATAON’NY CNAPS

📌 Tao anatin’ny iray volana izay,dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny CNAPS,noho ny fitokonana ataon’ireo mpiasa ao.Efa ho iray volana koa izay no tsy nisitraka ara-dalana ny fisotron-dronono ireo beantitra,ny mpandray volan-jaza koa toraka ary ireo fiahiana ara-tsosialy maro izay mikatso tanteraka amin’izao fotoana izao.

📌Tsy mitombina ary tsy manaraka ny fenitry ny fitakiana intsony ny ataon’ny mpiasan’ny CNAPS.Manahy amin’ny fisian’ny tranga ambadika ireto vondron’ny mpiasa sy mpampiasa ireto ,araka izany.
Noho ireo antony maro ireo,izay mihantra mivantana amin’ny vahoaka,ny”Groupement des Entreprises de Madagascar :GEM”,ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy:FivMpaMa,ary ny”Conférence des Travailleurs de Madagascar :CTM”;dia mikaty tsy misy fepetra ny hanokafana ny CNAPS.Mitaky ny hamerenana amin’ny laoniny ny raharaha mandeha rehetra ao amin’ny CNAPS,ary mangataka amin’ny mpiasa ihany koa hitandro sy hiaro ny voninahitry ny orinasa hatrany,fa tsy tombotsoa ho an’ny olom-bitsy fotsiny ihany.

Nanatanteraka valan-dresaka niaraka tamin’ny mpanao gazety ny 1 aogositra 2023, ny vondron’ny mpiasa sy mpampiasa,tetsy amin’ny foibe toeran’ny Groupement des Entreprises de Madagascar,GEM,tetsy Ambohijatovo.

✍️: Alex R.

400 réflexions sur “Raharaha Cnaps

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *