Fier Mada 2023 : DES OFFRES POUR LES TOURISTES

Fier Mada 2023: ENTINA HISINTONANA MPIZAHANTANY NY HETSIKA

Tonga amin’ny andiany faha-24 ny Fier Mada amin’ity taona 2023 ity,izay hetsika entina hanasongadinana ireo tantsaha eny amin’ny tontolo ambanivohitra ,izay misehatra amin’ny fambolena sy fihompiana ary ny manodidina ny fandraharahana amin’ny varotra.

Maro ny vokatra azo sitrahan’ny maro ato anatin’ity hetsika Fier Mada ity.Varotra fampiratiana,ireo asa tanana rehetra izay vita malagasy avokoa dia ho hita ao. Ny fitaovam-pamokarana dia ho hita ao avokoa ,izay sahaza ny tantsaha eny ambanivohitra daholo .Eo ihany koa anefa ny fifanankalozana traikefa eo amin’ny samy mpandraharaha madinika.

🌾🌾Mandritra ny dimy andro ny hetsika Fier Mada amin’ity taona ity,izay nosokafa tamin’ny fomba ofisialy omaly 2 aogositra,ary tsy hifarana izany raha tsy amin’ny alahady 6 aogositra 2023,etsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka.
Tranoeva manodidina ny 450 no hita eny an-toerana,izay samy manana ny sokaji’asany avy ,fa manodidina ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana ary ireo vokatra maro vita malagasy.

Nahatongavana solontena avokoa ny faritra 23, raha ny nambaran’ny mpamorona ny hetsika Fier Mada, Jacques RAMANANTSOA,entina hanomezan-danja ireo avy any amin’ny faritra ihany koa.
Ny tanjona mandritra ny fandraisan’ireo tantsaha anjara amin’ny Fier Mada,dia ny ahitan’izy ireo lalam-barotra maro hanodinana ny vokatra.

Eo ihany koa fampitana traikefa avy amin’ireo efa matihanina,entina hampiroboroboana ny sehatra rehetra misy eny ambanivohitra.

✍️: Alex R.

623 réflexions sur “Fier Mada 2023 : DES OFFRES POUR LES TOURISTES

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *