Toamasina: JIOLAHY IRAY LAVON’NY BALAN’NY FIP

Tsy mitsitsy aminao ny FIP . Mbola tsy maina akory ny ravina nihinana taorian’ny didim-pitsarana nivoaka teo anivon’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ny alarobia 22 novambra teo, izay namotsoran’ ireto farany ireo  telo lahy  voasambotry ny polisy, voarohirohy sy voampanga amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy vonoan’ olona ary fampanofana basy, ka anisan’ny naha be resaka ireo vahoaka nahafeno efitranom-pitsarana nilaza fa tsy afa-po tamin’ny didim-fitsarana, hany ka niloam-bava mihitsy ny sasany fa hoe tokony mitifitra havihatrany ihany ny polisy amin’ireny asan-jiolahy ireny, hirongatra indray ny asan-jiolahy ato ho ato, hoy kosa ny hafa. Vokany nirefndrofotra indray ny basy ny alin’ny alatsinainy hifohany talata tokony ho tamin’ny  1 ora maraina sy 10 minitra tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie  parisela 21/17 eo amin’ny lalandratsy makany amin’ny tobin’ny FIP somary anoloan’ny orinasa varatra teo aloha.

Raha ny angom-baovao teny an-toerana dia andian-jiolahy tsy latsaky ny 20 mirongo antsy be sy basy no indray hanafika tokatranon’ olona iray misy trano fivarotana ny valo no indray niditra ankeriny tao antoatrano ,raha manara-maso ety ivelany kosa ny hafa sady mihazona ny entana  sy reby efa azo tany amin’ny toeran-kafa  satria  efa nahavaky trano fivarotana hafa teny an-toeran-kafa izireo ka mbola hanohy an’ izany tamin’ ity tokatrano farany ity. “Efa tafiditra tao antrano izireo fa ny fomba fidirany tao tsy nisy nahenonay efa manambana antsy be ny dadanay ka nikiaka ny reninay fa olon-kafa tsara sitra-po mihitsy no niantso ny Fip ary tonga aram-potoana ireto farany, naratra teo amin’ny lohalikany ny dadanay ny sasany tamin’ izireo efa tao amin’ny efitrano fivarotana, voaromban’ ireo ny vola sy entam-barotra maro isan-karazany toy ny paty amina saché, menaka sakafo, vary, hatramin’ny kidoro epozy sy baterian’ny jiro, ary tratran’ny polisy teny anatin’ny kitapo sy sakaosin-jareo daholo izany” hoy ny niharamboina nitantara.

Saika hitsoaka

Vao naharé antso zahay dia tonga havihatrany nahita an’ izay fiavianay izay ireo tety ivelany dia nitsoaka ary efa nihevitra ny hitsoaka ihany koa ny tao antoatrano no nanambana antsy lavalela maro, voatery tsy maintsy nitifitra havihatrany ny polisyla lavo teono teo ny iray, raha azo sambom-belona kosa ny telo hafa,  dia i Raherinandrasana Jean Prosper, 30 taona tsy an’ asa sy   Ratolonjanahary Francisca Antonio, 23 taona, mpiasa amina orinasam-piambenana tsy miankina ary Masitoro, 20 taona mpitondra posy bikileta , izy telo lahy ireo izay samy mponina amin’ io fokontany io ihany fa efa hatahoran’ny mponina manodidina, nanamafy kosa ny komisera, Rafaliarivo Jules? komandin’ny Fip    mbola misy 16 be izao izany karohina  ary tsy hitsitsianay  amin’ny fampiasana fitaovana omen’ny fitondram-panjakana ny polisy, tanjona Toamasina milamina, hoy izy, ity farany raha somary tohina ihany tamin’ny didim-pitsarana nivoaka ny  alarobiia 22 novambra teo, momban’ireo jiolahy tratra ambodiondry.

Sajo

258 réflexions sur “Toamasina: JIOLAHY IRAY LAVON’NY BALAN’NY FIP

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *