STOI : NANOLOTRA ZEZIKA 10 TAONINA

Ho fanampiana sy fanohanana ireo tantsaha mpamokatra, indrindra I Maroantsetra izay  nieren-doza tamin’ ny fandalovan’ ny rivo-doza Cheneso, dia nanolotra zezika biolojika taroka 10 taonina ho an’ ny fitondram-panjakana malagasy ny VONDRONA orinasa STOI. Ny Talata 31 janoary 2023 no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy izany teo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Nandray izany ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana RAMILISON Harifidy. Nanolotra izany kosa ny avy amin’ny vondrona Stoi – Tahiana Razanamahefa.

Ny STOI moa dia anisan’ ireo mpiara-miombon’ antoka amin’ ny fampiroboroboana ny famokarana indrindra eo amin’ ny fampiroboroboana ny voly vary safiotra, ny fanapariahana ny zezika natoraly ary ny famatsiana hanampamokarana ho an’ ireo tantsaha any amin’ ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Andrefana izay nandalovan’ ny rivo-doza maro ihany koa.

Araho hatrany ny vaovao samihafa eto amin’ny https://ledefi.mg/

 

277 réflexions sur “STOI : NANOLOTRA ZEZIKA 10 TAONINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *