MISAOTRA  BAREA

Taorian’iny lalao omaly iny dia niaraha-nahita fa tena nangalarana ny Barea. Ilay arbiter dia tena nanao izay ho afany niangatra. Nanao izay tsy handresen’ny Barea. Tena natahoran’ny rehetra tokoa ny Barea. Isan’ny tena lesoka tamin’iny ny tsy fisian’ny VAR hoy ny Coach Romuald Rakotondrabe na i Roro:.

“Iny aloha ny vita resy isika, miala tsiny amin’ny mpitia baolina kitra malagasy rehetra, fantatray tanteraka ny alahelonareo sy ny fahadisoam-panantenanareo fa izay no atao hoe baolina. Somary nisy fiantraikany tamin’ny mpilalao kosa na izany aza ny fomba fitsaran’ny mpitsara sy ny tsy fisian’ny VAR. Naratra i dadafara ka tsy afaka nilalao ka tsy tafiditra i Naina tamin’ny voalohany fa efa nanarina izy tamin’ny faharoa. Ka rehefa resy dia miara-resy fa tsy manilika hoe avy amin’iza na avy amin’iza.”

Na izany aza hita hoe tena nanao ny ainy tsy ho zavatra ireto ekipatsika. Mbola azo arenina tsara ireny rehetra ireny. Isaorana hatrany ny Barea mba nampitambatra antsika teo indray. Alefa Barea …

1 097 réflexions sur “MISAOTRA  BAREA