Seces

⭕Seces : MANAMBANA HANAKATONA NY ONIVERSITEM-PANJAKANA REHETRA

⭕Nanambana hanakatona ny oniversitem-panjakana rehetra manerana ny Nosy  –  ny SECES araky ny fanambarana izay nataony androany .

▶️Raha tsy mahazo ny karamany ireo vacataire na Mpampianatra tsy raikitra miasa eny amin’ny Anjerimanontolo dia hiroso amin’io dingana io izy ireo – aorian’ny fankalazana ny fetim-pirenena.

▶️ Nisy moa ny filan-kevi-pirenena  izay notanterahana ny 8 sy 9 Jona 2023  teto amin’ny Oniversite Antananarivo ireo Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra na SECES sampana nasionaly,izay samy nahitana solotena avokoa ny avy amin’ny Oniversite enina teto Madagasikara,dia ny avy any Toliary,Fianarantsoa,Toamasina,Mahajanga,Antsiranana ary Antananarivo.Nisy ny fehi-kevitra nivoaka tamin’izany filan-kevi-pirenena nataon’ny SECES nandritra ny roa andro izany.

▶️ Hita sy tsapan’ireo mpikambana fa efa mihasimba  sy mikatso tsikelikely ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga ambony,izany hoe ny oniversite miankina amin’ny fanjakana.Tsy misy fijerena intsony ny fotodrafitrasa ho an’ny  mpianatra na efitrano fianarana na trano ho an’ny mpianatra”cité universitaire”.Fa ny isany tena mampikatso ny fianarana koa,ny fanampahan-kevitra noraisin’ny mpampianatra antselika “vacataire”,ny tsy handray ny fampianarana mandrapahavalin’ny fitakiana hataon’izy ireo;amin’ny fandoavan’ny fanjakana ny karaman’izy ireo nandritra ny efatra taona.Tsara moa ny manamarika fa ny”vacataire”,dia misahana ny 70 isanjaton’ny fampianarana eny amin’ireny oniversite miankina amin’ny fanjakana ireny.Ny olan’ny PAT amin’ny fisotron-dronono koa tsy mbola voavaha hatramin’izao.

▶️Tompon’andraikitra tanteraka ny fanjakana amin’ny olana maro mianjady ireo oniversite eto Madagasikara,raha ny nambaran’ny SECES nasionaly hatrany.

▶️ Noho ireo antony maro ireo,dia nanome fe-potoana hatramin’ny farany volana Jona 2023,ny SECES nasionaly, hanatanterahana sy hamahana ireo olana maro voatanisa teo,mitaky izy ireo ny handraisan’ny fanjakana fepetra faran’izay haingana , hisoroana ny fikorontanana sy fikatsoan’ny fampianarana lava reny.

▶️Noresahan’ny SECES nasionaly tao ihany koa ny mahakasika  ny raharaham-pirenena.Raha ny nambaran’izy ireo,dia hita sy tsapa fa tafahitsoka anaty fahantrana tanteraka sy lalina ny firenena .Tsy mandeha intsony ny raharaham-pirenena rehetra.

  ▶️ Nanao fiantsoana faobe ny SECES nasionaly,ireo avara-pianarana rehetra,hampiseho firaisankina,ho fitandroana ny fiainam-pirenena.

✍️Alex R./RHA

199 réflexions sur “Seces

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *