Raharaha tany akaikin’ ny tobin’ny zandary- Salazamay : MANANA HATRAMIN ‘ NY 17 JANOARY IREO FOKONOLONA

aitra sy nikoropaka ny solontenam-panjakana teto Toamasina tamin’ny alalan’ny OMC ny marainan’ny talata teo raha vao nahita teny amin’ny tambanjotran-tserasera sy fampahalalam-baovao maro isan-karazany vokatry ny valandresaka nataon’i reo fokonolona manodidina ny 200 monina sy mipetraka manana ny fihariany eo anoloan’ny tobin’ny zandary -Salazamay mifanampita amin’ny Hopitaly manaram-penitra etsy Morafeno .

Nampiantso fivoriana maika ny OMC élargi ny prefen’ i Toamasina, Atoa Ambinintsoa Jean José, ny tolak’ andron’ny talata tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany izay naharitra andimpataran’andro roa be izao izany,.

Ankoatry ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana telo tonta tahaka ny mahazatra dia nampanantsoina manokana ihany koa ny teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny lafintany anivon’ny kominina,ny sampandraharahan’ny fampananantany sy fandrefesantany  “domaine”  ary ny asa vaventy . Samy nanoritra ny rehetra fa tanin’ olona efa misy “titre” izy  io fa saingy ny zandary no tafiditra anatin’ny titre ka efa miomana ny hanolotra ny tany  izay misoratra amin’ny tompony, araka ny titre 6567B.A ” Villa des Mille Fleurs” .

Nohamafisin’ny lehiben’ny Cirgn Toamasina , rahateo fa tsy ny tompon’ny ilan-tany no hanesotra ireo olona manana trano eo anolon’ny toby fa ny zandary, satria efa tokony hatomboka ny famindrana ny vavahady . Nanamarika rahateo ny sampandraharaha maro tonga nanatrika ny fivoriana tampoka fa tsy misy manana “Permis d’ Occupation” ireo nanorina trano.

 Teo am-pamaranana dia nomena hatramin’ny 17 janoary ireo manana trano mba hanaisotra an’ izany . Nanambara kosa ilay jeneraly zandary tompon’ny tany fa hanorenany trano manaram-penitra “Pavillon” atao tsena amin’ io faritra io ka afaka manofa izay liana amin’ izany mba hanomezana endrika ny moron-dalan’ny “Route d’ Ivoloina” sy ny tananan’ i Toamasina.

115 réflexions sur “Raharaha tany akaikin’ ny tobin’ny zandary- Salazamay : MANANA HATRAMIN ‘ NY 17 JANOARY IREO FOKONOLONA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *