Raharaha fiahiahiana vonoan’ olona : Afaka madiodio ry pasitora  efatra mianaka

Raharaha vonoan’ olona : Afaka madiodio ry pasitora  efatra mianaka

Niakatra teo anoloan’ny fitsarana  ambony misahana ny ady heloka bevava andiany faharoa sady  mamarana ny taom-pitsarana taona 2023 ity ny  antotataratasin’ ady laharana faha 119-Toa/22-1333-RP/22, izay mandrafitra ny raharaha nahavoarohirohy pasitora amina antokom-pinoana iray tao  amin’ny zanan-tanana Ambodiampaly fokontany Anjahamarina kominina ambanivohitra Ampasimbe Onibe- disitrika Toamasina faharoa ny 21 aprily 2022 , izay voampanga  amina loham-piampanaga roa samihafadia ny filazana ho nanao fanandevozana tovolahy iray ary narahina famonoana ka nampidoboka azy efatra mianaka tao amin’ny fonjaben’ Ambalatavoahangy  ny 3 may 2022 taorian’ny famotorana teo anivon’ny fampanoavana  anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany  niandry ny fotoam-pitsarana .

 Naharitra andim-pamataran’ andro roa be izao ny fifandaharana teo amin’ny voampanga, mpisolovava ary ny tonia ambony sy mpitsara ambony mpamoaka didy, Nandà ny fiampanganaa zy izy efatra mianaka ary nohamafisin’ Ingahy pastora , Ramiandrisoa Felice 52 taona, tamin’ny fiarovan-tenan’ izireo fa tsy mitombina ny fiampangana fa nihazona ankeriny sy nanao fampijaliana an’ i Randriamaromanana Desire, antsoina hoe Vonjy izay marary saina izahay fa nitaiza azy ary efa dimy taona no nametrahan’ny raiamandreniny azy taminnay, nisy fifanarahana fa amin’ny maha mpiandry ahy dia hitondra ambavaka azy nataoko sy ny akohonako. “Tahaka ny zanako nateraka no fitondrako azy tao antrano tsy nisy finjaliana izany” hoy kosa Zoro Lette 50 taona vadin’ i Pastora, noheverinay ho toy ny mpiray tampo aminay izy tao antokatrano ary mbola zahay mirahalahy aza manasa ny lamba malotony” hoy kosa ry Geba Placide Ramiandrisoa 29 taona sy Laisirana Arison Zori Bonke 25 taona izay samy zanak’ i Pastora. Raha ny teo amin’ny fiampangana faharoa momban’ny hoe famonoana olona dia lavin’ izireo hatrany fa tsy mpamono olona izireo, antina kisoa narian’ olona tany amorondrano ilay nolazaina fa hoe antin’ olona. Ho an’ ity farany dia nitondra ny ahiahiny momban’ny fiampangana azy efatra mianaka ny tonia ambony tomba-maso hoy izy fatsy nisy tena fijerena tamin’ny alalan’ny laboratoara an’ ilay lazaina fa atin-javatra hitan’ny fokonolona teny, tomba-maso fotsiny nataon’ny dokoteran’ny Bmh. Teto dia fantatra tao anatin’ny famakiana ny votoanton’ ady ihany koa ny tsy fahatongavan’ny mpitory nandritra ny fanadihadiana lalina indroa nisesy nataon’ny mpitsara mpanadihady ” Juge d’ Instrucution’ na efa nandefasana fiantsoana aza ary mbola tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana ihany ny Talata faha 05 desambra 2023 , izay nandikan’ny mpisolovavan’ny voampanga ny maitre Tody Arnaud, fa efa miriaria ao Foulpointe ilay Vonjy lazaina fa maty . Vokany taorian’ny fifandaharana izay naharitra ora roa dia nivoaka ny didy  afaka madiodio tamin’ ireo  loham-piampangana miisa roa nanenjehan’ny mpitory azireo izy efatra mianaka

Saika ho fitsaram-bahoaka

Raha iverenana ny raharaha dia ny zoma 21 avrily 2022  niantso ny fianakavan’i  Vonjy tovolahy marary saina 44 taona ry Pastora nitaiza azy fa  tsy hita popoka izy nilaza ny fianakaviana fa hidina antoerana mba hiaraka hikaroka, nolavin’ ilay pasitera kanefa izany ka ny  alahady 24 avrily 2022  tonga  tampoka tao amin’ny zanan-tanana  Anjahamarina fokontany Ambodiampaly kominina ambanivohitra Ampasimbe-Onibe  tsy nampilaza tamin’ilay  pasitera fa efa nikasa sy hitaona ny fokonolona hanao fitsarambahoaka ny fianakavian’i Vonjy, ary nivantana aloha tany amin’ny lehiben’ny fokontany, nilaza ity farany fa mbola tsy nisy fampilazana olona very nataon-dry Pasitera. kanefa aoka ho tony isika .Nandritra an’ izay kanefa dia nahazo angom-baovao  sy fijoroana vavolombelona  tamin’ny fokonolona tao an-toerana ny fianakavian’i  Randriamaromanana Desiré na Vonjy  manao asa toy ny andevo tao amin-dry Pasitera iny olona iny hatramin’ny niaviany teto , hoy ny fokonolona toy ny fiambenana tanimboly misy lavanila  andro aman’ analina, miasa tanimbary, mitatitra rano. manasa maloton’ izy mianakavy, raha vao  manda kely dia voadaroka ” Omena sakafo tsizarizary, ampatoriana amin’ny toerana tsizarizary, efa nisy mihitsy fotoana naha torana an’ i Vonjy nodarohan’ny zanak’ i Pasitera ” hoy hatrany izireo nijoro vavolombelona. Taminn’ izay indrindra dia nanapa-kevitra hanampy ny fianakavian’ i Vonjy ny fokonolona ary niara- nihetsika nanao ny fikarohana nanerana ny aty  ala ary teo indrindra nahitana  “tsinay”  nihantona tao amin’ny tany misy lavanila fiambenan’i  Vonjy izay somary amorondrano , tsinay miaraka amina vavony , raha ny filazana tamin’ izany fa saingy efa nolavin’ ilay pasitora sy ny zanany  hatrany tamin’ izany andro izany  fa tsinain-dambo fa tsy tsinain’olona.

111 réflexions sur “Raharaha fiahiahiana vonoan’ olona : Afaka madiodio ry pasitora  efatra mianaka

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *