MITAKY 1 MILLION AR NY MPIASA

🔴🔵Sendikan’ny Mpiasa sy Mpiasa: MITAKY NY FAMPIAKARANA KARAMA HO 1 TAPITRISA ARIARY

▶Lohahevitry ny fanamarihana ny 1er Mai 2023 ny hoe “ Mpiasa Malagasy leon’ny fitotongan’ny fahefa-mividy’.

▶Nifanome fotoana teny amin’ny kianjan’Alarobia ny Sendika’ny Mpiasa mivondrona ao anatin’ny CTM tamin’ity anio ity. Nisy ny diabe nataon’izy ireo namakivaky an’Ankorondrano iny .

▶Feno mpitandro filaminana kosa teny Anatanimena hatrany Analakely nandritra ny hetsik’ireto sendika ireto androany maraina.

Na nisy aza ny familafilana samihafa nahazo ireo mpitarika rehefa nangataka ny kianjan’Alarobia dia tontosa soa aman-tsara ihany izany , hoy ireo mpitarika ny hetsika nandray fitenenana teny Alarobia.

▶Nambaran’ny Vondron’ny Sendika fa Zon’ny tsirairay ny miditra anaty Sendika ary zo fototra ny fitakiana,

▶Isan’ny fitakian’ny Sendikan’ny mpiasa sy ny Mpiasa tamin’ity 1er Mai 2023 ity moa ny fampiakarana ny karama farany ambany ho iray tapitrisa ariary fa tsy ilay 250 000 Ar intsony. Mitaky ny fanjakana koa izy ireo mba hifehy ny vidim-piainana.

▶Isan’ny teboka nivoitra ihany koa ny tokony hanaovana dinika nasionaly momba ny asa . Tsy ampy mantsy ny famorona asa eto ary tsy mazava ny politikan’ny asa sy ny fampananana asa eto amintsika.

2 270 réflexions sur “MITAKY 1 MILLION AR NY MPIASA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *