Anosimasina Itaosy

Alahamadibe Anosimasina Itaosy :MITAZONA FIHAVANANA NY FANATANTERAHANA AZY
📌Tao aorian’ny fankalazana manetriketrika ny fomba malagasy Alahamadibe natao teo Anosimasina Itaosy ny 21 Aprily lasa teo,dia notohizan’ireo taranaka tamin’ny alalan’ny fanamasinana ny toerana masina teo Anosimasina Itaosy ihany ny fanamarihana.
Io toerana masina masina io moa raha tsiahivina kely,dia ireny Doany fipetrahan’ireo fanahin-drazana taloha ela be ,ka hamasinin’ireo taranaka aty aoriana ny tenany sy hangaham-pitahiana ihany koa.Ankoatra izay,dia fanomezam-boninahitra ny taona sy ny toerana no antony hanaovana io fomba ao aorian’ny Alahamadibe io.
📌Araka ny fomba fanaon’ny malagasy hatramin’izay,dia misy ny fizarana ny nofo-kena mitam-pihavanana,izay fitazonana fihavanana ho an’ny mpandala ny fomban-drazana izany.
Natao teny Anosimasina Itaosy ny 28 Aprily lasa teo io fanamasinana io,ary notronin’ireo mpandala ny fomba malagasy maro notarihin’ny Maître Feno.
Olivia R/Hubert

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *