Mada jeune: HANOME FAHAFAHAMPO HO AN’NY TANORA

Ny Mada Jeune dia mikarakara hetsika fampiratiana ” Journée de l’orientation” no niantsoana azy ity izay voalohany amin’ity taona 2023 ity. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitrin’ny Mada Jeune RAJAONA Haingo dia fampiratiana hampafantarana ireo mpianatra vao afaka Bacc sy ireo mpianatra mitady lalam-pihofanana hafa.

Ny mampiavaka ity ” Journée de l’orientation” ity dia misy ny fandraisana ireo mpianatra izay afaka Bacc tamin’ny taona 2022 izay mbola tsy nahita ny lalam-pianarana izay ataony, tsy diso anjara ihany koa anefa ny ankizy any amin’ny kilasy faharoa ka hatramin’ny kilasy famaranana izay hampafantarana azy ireo ny lalam-pianarana izay tokony ataony iao aorian’ny Bacc ka izay no hampafantarana sy hanoroana azy ireo ny tokony ho alehany tsy ho diso safidy amin’ny fianarana ho ataony.

Oniversite 20 ny mandray anjara amin’ity fampiratiana ity ary maharitra roa andro ny fampiratiana dia ny 20 janoary sy 21 janoary 2023 izay atao ao amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Manana tanjona ny Mada Jeune toy ny fampafatrana ireo ankizy ny lalam-pianarana izay ho ataony. Mampafantatra ny mpianatra ny amin’ny tokony hataony mba tsy ho diso safidy amin’ny fianarana izay ataony.

Alex R./ Olivia R.

424 réflexions sur “Mada jeune: HANOME FAHAFAHAMPO HO AN’NY TANORA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *