Ikongo: Le TRIO “SITENY – VONINAHITSY – BRUNELLE”

Nakotroka ny fankalazana ny 8 marasa tany Ikongo. Tany an-toerana no nanamarika ny andron’ny vehivavy ry Siteny -Voninahitsy-
ary Brunelle izay tompon-tanana. Misy antony ara-politika ve ? Eny tokoa tena misy.
Raha toa ka teo Mahamasina ny ivon’ny fankalazana – araky ny toromariky ny avy eo anivon’ny Mpikarakara ny 8 marsa
sy ny fitondram-panjakana mazava ho azy – dia tany Ikongo ry zareo no nanatanteraka izany.
Misy dikany ara-potokevitra sy ara-politika izany.

Fa ny tsy azo lavina dia efa vonona amin’ny fiatrehana fifidianana Filoham-pirenena Siteny Randrianasoloniaiko.Efa nasehony
nandritra ny diany tany Ikongo ny Helicoptere izay nitondra azy niaraka
tamin’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa sy Voninahitsy Jean Eugene.

Nanotrona ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa tao Ikongo moa izy telo mirahalahy ireo ary midika
fanambarana hery ny fijoroan’izy ireo teo anoloan’ny tribune tamin’io fotoana io.

Hanao ahoana tokoa ny herin’izany Trio “Brunelle – Voninahitsy – Siteny” izany? Ireo namany ireo
izay tsy zoviana fa solombavambahoaka tsy mitsitsy fitenenana. Eo isika mahita azy fa dia efa
karazana “avant gout” iny nasehony iny.

Nasehony fa manana ny hoenti-manana izy. Tsy vitan’ny hoe nandeha Helicoptere fotsiny fa nizara fanampiana
tao Toliara – toerana izay lasibatry ny rivo-doza Freddy farany teo.

Une réflexion sur “Ikongo: Le TRIO “SITENY – VONINAHITSY – BRUNELLE”

  • 8 février 2024 à 17h04
    Permalien

    Keyloggery są obecnie najpopularniejszym sposobem oprogramowania śledzącego, służą do pobierania znaków wprowadzanych z klawiatury. W tym wyszukiwane hasła wprowadzone w wyszukiwarkach, wysłane wiadomości e – Mail i treść czatu itp.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *