SALON DE L’ELECTRICITÉ, DES ENERGIES RENOUVELABLES ET DES HYDROCARBURES

SALON DE L’ELECTRICITÉ, DES ENERGIES RENOUVELABLES ET DES HYDROCARBURES : ANDRO FAHATELO SADY FARANY AMIN’NY FAMPIRATIANA

Andro fahatelo sady farany amin’ny “salon de l’Electricité, des Energies Renouvelables et des Hydrocarbures ” androany faha 10 Jona 2023 . Tao anatin’izay telo andro izay dia tsapa fa maro amin’ny olona no liana amin’ny resaka angovo sy ny tontolony indrindra ireo tanora .

Nisy moa ny famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra androany nanazava sy nitondra ireo traikefa sy toro-hevitra ho an’ireo tanora liana amin’izay , nametraka ny maha zava-dehibe an’izany angovo azo havaozina izany izy ireo ka maro tamin’ireo tanora no nahazo fahalalana hatongavany amin’ny zavatra tiany hatao .

Mahatsapa ireo tompon’andraikitra fa anisany lalana iray ho entina hampandrosoana ny firenena iray ny fananana angovo azo havaozina .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *