Lisi-pifidianana: MITOHY NY FANENTANANA HISORATRA ANARANA

Nisy ny fidinana hifotony izay nataon’ny tompon’andraikitrin’ny CENI ny 14 mars teny amin’ny fokontany Ambodivonkely Ambohimanarina . Araka ny nambaran’ny Filohan’ny CENI dia fitsidiana sy fijerena hifotiny ny fizotrin’ny fisoratana anarana ny lisitry ny mpifidy ka voafidy manokana tamin’izany ny fokontany Ambohivonkely Ambohimanarina .

Teo ihany koa ny fisoratan’ireo ekipa mpirenena anarana tao anatin’ny lisitry ny mpifidy ka anisan’izany i DAX ka tonga nanome fankasitrahana azy ireo ny tompon’andraikitrin’ny CENI ny amin’ny fandraisana andraikitra nataony .
Nisy ihany koa ny hetsika fanentanana ny olom-pirenena hisoratra sy hanamarina ny anaran’izy ireo ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.

Araka ny nambaran’ny Filohan’ny CENI dia hisy ny dinika hifanankalozan-kevitra amin’ireo mpisehatra rehetra. Ary hiroso amin’ny fitsirihana sy fikirakirana ara-kajimirindra izay atao eny anivon’ny CENI izy ireo . Eo ihany koa ny hananana zotram-pifidianana mirindra sy milamina hoy ny mambarany .

Olivia R.

7 réflexions sur “Lisi-pifidianana: MITOHY NY FANENTANANA HISORATRA ANARANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *