Royal Chapel International : NANAO ASA SOA TENY ANOSIZATO ATSINANANA

Ny faran’ny herinandro teo dia nanao asa sosialy teny Antanimenabe fokontany Anosizato Atsinanana ny fiangoanana Royal Chapel International. Vory marobe ireo olona teny amin’iny toerana iny ary nandritra izany no nizaran’ity fiangonana ity Ppn ho an’ireo olona tonga teny.

Nambaran’ny Filoha mpitarika ny Royal Chapel International ny prophète ELHISA AWUSU fa ” mila atomboka eto Madagasikara ny mission fifohazam-panahy lehibe – antso izay nataon’Andriamanitra taminy – satria ity Madagasikara ity dia tany voatahy manokana”

Fanombohana ihany ity hetsika ity fa hisy ihany koa ny hetsika hatao any amin’ny toerana hafa atsy ho atsy. Ankoatra ny
fizarana PPN dia nisy koa ny fanampiana ireo ankizy mpianatra sahirana amin’ny saram-pianarana.

628 réflexions sur “Royal Chapel International : NANAO ASA SOA TENY ANOSIZATO ATSINANANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *