BAREA CHAN : NOTOLORAN’NY FILOHAM-PIRENENA MARI-BONINAHITRA

Notoloran’ny Filoham-pirenena Mari-boninahitra CHEVALIER DE L’ORDRE NATIONAL ireo mpilalao sy mpanazatra ny Barean’i Madagasikara – noho ny dingana vitany tamin’iny Chan 2022 natao tany Algerie iny.

Io maraina io no nanaovana izany teny amin’ny Palais Iavoloha.

Nahazo Chevalier de l’ordre de mérite de Madagascar i Dax noho izy efa nahazo ny Chevalier de l’Ordre National tamin’ny CAN 2019.

Notolorana Chevalier de l’Ordre de Mérite ihany koa ireo Staff Technique.

Tamin’ity fotoana ity koa no nanomezana PRIME SPECIALE avy amin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ho an’ny mpilalao sy mpanazatra ary ny Staff Technique rehetra.

#barea
#ledefi_madagascar

Araho hatrany ny vaovao samihafa eto amin’ny https://ledefi.mg/

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *