Karatra Nitsarana miaramila : ILAINA AMIN’NY DOSIE REHEFA MANKANY AN-DAFY SY AMIN’NY “CONCOUR” ISAN-KARAZANY

Misokatra androany 6 jolay ary tsy hifarana raha tsy ny 13 oktobra manerana ny Nosy ny fitsarana miaramila. Mila manana karapanondro ny mpiadina eny mandritra izany, izany hoe ireo tanora 19 hatramin’ny 31 taona. Tena ilaina ny fahazoana ny karatra manambara fa nahavita fitsarana miaramila ny olom-pirenena iray.

Tonga nanotrona izany lanonana fanokafana ny fotoam-pitsarana miaramila izany ny fianakaviamben’ny Foloalindahy notarihin’ny ministry ny Foloalindahy.

Anisan’ny antontan-taratasy takiana amina fifaninana maro izy io. Ilaina koa amin’ny handehanana any ivelan’ny Nosy.Amin’izao fotoana dia miatrika izany koa ny vehivavy fa tsy ny lehilahy irery ihany toy ny taloha.

Ho an’ny eto Antananarivo, dia eo amin’ny kianjan’i Betongolo ny fanokafana ofisialy izany anio. Ny 17 hatramin’ny 24 aogositra kosa ny anjaran’ny renivohi-paritany teo aloha ary aorian’izay ny renivohitry ny distrika sy ny kaominina maro.

Sary : Ministeran’ny Foloalindahy

Patrice RAVELOSON

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *