Sekoly AKAMA 67 HA : TSY NATOKANA HO AN’NY ANKIZY MARENINA FOTSINY IHANY

Tsy voatokana ho sekolin’ny marenina fotsiny ihany ankehitriny ,fa sekoly Mampiaty ny AKAMA 67 Ha na Akanin’ny Marenina. Raha ankizy marenina ihany no nampianarina teo aloha , dia fantatra ankehitriny fa mandray ireo ankizy mandre ihany koa izy ireo.

Taona vitsy izay no efa nanomboka niroso tamin’ny fanabeazana mampiaty ny sekoly , tanjona amin’izany ny hambarana ireo ankizy tontolo roa samy hafa toa ny marenina sy ny mandre, araka ny fanazavan-dRavelosaotra Fitasoa Noelson, Miandraikitra ny fampiofanana eo anivon’ny AKA.MA Maro hoy izy ireo ny tombontsoa azon’ny ankizy misitraka ny fampianarana ao aminy sekoly , toa ny maha mora kokoa ny fampianarana marenina.

” Ahitana mpianatra manomboka amin’ny ambaratonga fototra hatramin’ny kilasy famaranana ny ao amin’ny Akanin’ny Marenina 67ha . Mitambatra avokoa ireo mpianatra mandre sy marenina ary mahay mifandray izy ireo . Tsiahivina fa mandre avokoa ny maro amin’ireo mpanabe manabe , koa tsy atahorana ny mety hahavery ny fandrenesan’ireo izay mandre arak’izany “, araka ny fanazavana hatrany.

Lycia ANDRIANIRINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *