Kandida N°3 tao Moramanga : NANOME TOKY FA HANOME ASA NY MARO AMIN’NY ALALAN’NY FAMETRAHANA NY ZONE EMERGENCE INDUSTRIELLE

 Teo amin’ny kianja  manara-penitra Moramanga no nandraisana ny Kandida laharana fahatelo Andry RAJOELINA ny zoma 27 oktobra 2023 teo. Vahoaka marobe  feno fitiavana no nanohina ny antso. Nanomboka teny amin’ny kianjan’Ambohibary, nipetrahan’ny Angidimby  hatreny amin’ny toerana nifanomezana dia  nampiseho fitiavana lalina  ny candidat mivady ny mponina. Nitondra ny teny fisaorana azy ireo ny kandida raha nanokatra ny lahateniny taorian’ny dia be niarahana tamin’ny  mponina sy ny fikambanana samihafa niainga avy eo amin’ny garan-damasinina.

Tso-drano avy amin’ny “Princesse de Bezanozano”, Rtoa Vincent Lucile no nanombohana ny fotoana. Ity farany izay nanamafy fa tsy hisy filoham-pirenena malagasy afa-tsy Atoa Andry Rajoelina. Izy irery ary tsy maintsy ho lany amin’ny fihodinana voalohany izy. Mivavaka ary manao vava amin’ny tsy maintsy hampandaniana azy ity raimandreny nentim-paharazana ity.

Nandritra ny lahatenin’ny kandida kosa dia nivoitra ny fitanisana ny zava-bita teto an-toerana: toy ny sekoly izay misy efatrano 24, afaka mandray mpianatra 1200. Ny kianja manara-penitra izay natao ho an’ny tanora ary feno hipoka androany. Anisan’ny tsangam-baton’ny fifankatiavana ihany koa ny nahavita ny lalam-pirenena 44 izay nilokalokan’ny mpanao politika sasany saingy izy no nahavita azy.

Ho fanohizana ny tetikasam-papandrosoana efa natombony, nanamafy Atoa Andry Rajoelina dia hisy aloha ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Ka tsy hisy kaominina ho adino intsony. Manaraka izay ny fanomezana faritra manokana an’I Mangoro izay hanana ny renivohiny  ao Moramanga.

Ankoatra ny foto-drafitrasa efa vita, hiompana be dia be amin’ny sosialim-bahoaka amin’izay ny tenany amin’ny dimy taona manaraka. Ho jerena manokana ny mahakasika ny tsy fananana asa. Hapetraka araka izany ny “Zone émergence Industrielle” izay hiara-dalana amin’ny fametrahana ny ivon-toerana lehibe famokarana angovo. Hanampy ny isan-tokatrano izany, indrindra ny tanora sy ny vehivavy. 

Nasiany tsindri-peo manokana tao Moramanga ny mahakasika ny zo-pireneny. Notsiahiviny fa ireo  mpitari-tolona fahiny dia manana ny zo-pirenena frantsay. Saingy tsy olana tamin’ny Malagasy izany fa ny zava-dehibe dia fahavononan’ilay olona hanompo sy hampandroso ny firenena. “ Na amoizako ny aiko aza izany dia tsy maintsy vitako”, hoy izy. Noararotiny tamin’izany ny tokony hanamafisan’ny mpanohana azy ny firaisan-kina, indrindra tsy hidirana amin’ny fifanaratsiana fa mila mandresy ny soa amin’ny ratsy.

Namaranany ny lahateniny omaly ny famporisihana ny olona handeha haka kara-pifidianana  hifidy ka handrotsaka ny vatony ho an’ny kandida laharana fahatelo. Izany dia mba ahafahany manohy ny asa fampandrosoana efa natombony. Manentana ny mpifidy hanaramaso ny latsabato sy ny fanisa-bato izy. Mametraka fitokisana amin’ny fifankatiavana misy aminy sy ny vahoaka izy, ka raha nihoatra ny 60 % ny vato tamin’ny 2018 dia mino izy fa hihoatra ny 90 % izany amin’ny 16 novambra ho avy izao.

194 réflexions sur “Kandida N°3 tao Moramanga : NANOME TOKY FA HANOME ASA NY MARO AMIN’NY ALALAN’NY FAMETRAHANA NY ZONE EMERGENCE INDUSTRIELLE

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *