Kandida laharana faha-3 tao FIANARANTSOA:  “ PREMIER TOUR DIA VITA…”

Vahoaka marobe no nanatrika ny kandida laharana faha-3 tao Fianarantsoa androany. Nandritra ny lahateny nataony dia nanamafy ny fifamatorana eo aminy sy ny vahoakan’i Fianarantsoa ny tenany. Nambarany fa mila filoham-pirenena tanora, manakaiky tanora i Madagasikara. Naverimberiny ny maha zava-dehibe  ny tsy fanaovana ambanin-javatra ny fanakekezana ny vahoaka amin’ny fotoan-tsarotra. Porofon’ny fitiavany ny vahoakan’i Fianarantsoa ny fidinany ifotony tamin’ny COVID, cyclone…misy ny tosika fameno, fanampiana mivantana ny mponina araka ny filana. Nasiany tsindrim-peo manokana ny hetsik’ireo mpanao politika izay mandrebireby vahoaka fotsiny, mihodikodina fotsiny tsy mahazo olona. Izaho tsy tahaka azy ireny fa sady tsara ivelany no manana ilay fanahy maha olona.  

Miantso ny vahoaka an’i Fianarantsoa izy mba hiara-dalana aminy. Nohamafisiny fa maro ny fotodrafitrasa maro vitany, toa ny hôtel de finances izay toerana hikirakirana ny mpiasam-panjakana rehetra. Birao izay tsy mbola nisy izany teto Fianarantsoa. Torak’izany Biraon’ny prefektiora. Na tao anatin’ny Covid aza isika dia nahavita zavatra hoy izy. Nitondrany manokana ny velirano voalohany, izay nahitana fihenan’ny asan-dahalo, ny halatra omby. Izany dia noho ny fametrahana ny détachement Opérationnel any Ambalankidresy.  Vaky ny Kizo maro toy ny any Mahazoarivo, Ikalamavony. Fa isan’ny nasiany tsindrim-peo ihany koa  ny mahakasika ny mahagasy azy.

Fianarantsoa sy Andry Rajoelina miaraka dia azo antoka ny fandresena satria Madagasikara tsy maintsy mandroso.

 

TAMIN’NY 10 ORA MARAINA DIA EFA NIANDRY NY VAHOAKA….

Raha tamin’ny 1 ora ny fotoana nomena ho fiantombohan’ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida laharana fahatelo, Andry  Rajoelina dia efa tamin’ny 10 ora maraina ny vahoaka no niatrana teny amin’ny seranam-piaramanidina Fianarantsoa.

Vahoaka sasa-miandry sy te hahita azy fotsiny ireo. Tsy noterena fa netanim-pitiavana, tsy niala teny an-toerana mihitsy raha tsy tonga ilay angidim-by nitondra an’i Andry Rajoelina. Loko volom-boasary, sora-baventy,afidy ary ny takelaka misy ny sarin’ny kandida  laharana fahatelo no hita sy nihofahofa. Endrika mazava sy velom-panantenana no tazana ary  vonona izy ireo ny hampandany an’ity kandida ity amin’ny fifidianana. « Izahay tsy miala amin’ny laharana fahatelo ary izahay dia manohana sy vonona hampandany azy eto Fianarantsoa.

Tsy mivadika hatramin’izay ka hatramin’izao ary hifidy an’i Prezda hatramin’ny farany. 1ere tour de vita  » : hoy ny fikambanam-bevivavy ao an-toerana. Rehefa nigadona i Andry Rajoelina sy ny vady aman-janany dia raikitra indray ny diabe. Nialoha ny rehetra ny vahoaka nanofahofa ny sarin’ny prezida ary nanaraka izany ny zava-maneno sy ny fiara nitondra azy telo mianaka . Hazakazaka  dia an-tongotra halavirana 2 km eo ho eo, niala avy eo amin’ny serananam-piaramanidina hatreny amin’ny « Stade Ampasambazaha » Fianarantsoa,. Tsy nisy niala ny rehetra ary rakotra vahoaka ny sisin-dalana. Teo ny rehetra dia samy resy lahatra fa raha mbola ao Fianarantsoa dia sarotra ny handresy ny kandida laharana fahatelo ity.

Nifanotofona mihitsy ny handray ny tanan’i Andry Rajoelina ary samy nanaraka azy na ny lehibe na ny kely. Ilay kianja filalaovam-baolina Stade Ampasambazaha, rahateo efa feno hipoka hatreny amin’ny tribune sy ny ety ambany. Tao anatin’izany dia nafanany ambiansy. Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia mbola nanamafy ny kanida Rajoelina laharana fahatelo fa hatramin’izay nahatongavany tao andrenivohitry Fianarana ity dia tsy mbola nisy vahoakabe dia be toy izany , hoy izy. « Isika tsy maintsy madresy. « Fianarantsoa paré,Andry Rajoelina koa efa decidé ka 1 ere tour de vita ary marina ny teninareo. Raha fifidianana Fianarantsoa tsy mba mivadibadika izany. Raha 69% no nomenareo ahy tamin’ny 2018. Nanome toky ahy ianareo fa handatsabato ary azon-tsika ny fandresena. Nisy fifidianana in-telo nisesy ihany koa ary lasan-tsika daholo ny toerana.Hasehon-tsika indray amin’ity fa  raha 69% ny teo dia ho 80% no omen’ny Fianarantsoa amin’ity. Ekena sa tsy ekena » : Hoy i Andry Rajoelina sady nampanaiky ny vahoaka tamin’ny alalan’ny tsangatanana.

Nampanantena izy teto fa hovitaina tsy ho ela ny kianja ary vonona hanampy ny tanora ny tenany eo amin’ny lafin’ny fanatanjahantena satria tanora ny tenany.

Nangonin’i Mickael RANDRIAMANANTENA ( Envoyé sur terrain au nom de ledefi.mg à Fianarantsoa )

115 réflexions sur “Kandida laharana faha-3 tao FIANARANTSOA:  “ PREMIER TOUR DIA VITA…”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *