ANTANANARIVO : TSY MIALA AMIN’i KANDIDA ANDRY RAJOELINA

Nasehon’i vahoaka teto Antananarivo, nandritra ny karnavaly lehibe nataon’i Kandida Andry Rajoelina – ny alahady 15 Oktobra 2023 teo fa tsy miala amin’i Andry Rajoelina izy ireo. Tonga namaly ny antso ny vahoaka marobe. Hatramin’ny kely indindra , hatramin’ny lehibe indrindra.

Feno hipoka teo Malacam izay toerana niaingana – nihazo an’Andravoahangy – Besarety. Ny masoandro nody no nampalahelo. Tsy arakaraky ny fanaratsiana hatao aminy fa tonga avokoa ny rehetra nanohana ny kandida laharana fahatelo. « Isika na haratsiana aza dia tsy maloto », hoy ny kandida Andry Rajoelina. Nihazo an’iny Antohomandinika – Ankorondrano ary Masay iny avy eo ny diabe.

Tsy hadinon’ny kandida Rajoelina Andry ny nisaotra ny vahoaka.

Betsaka izay efa nandrasanareo izay,  tsapako loatra ny fanehoam- pitiavana nasehonareo izao,  hoy ny kandida laharana faha telo Andry Rajoelina. Eto  aho dia misaotra  ho anareo tsirairay avy : ianareo fikambanana,olo- tsotra ,olom- pirenena tsirairay avy, amin’izao fanehoam-pitiavanareo Ahy izao , Izaho koa dia tia anareo. Efa ela no tsy nisy famoriam-bahoaka maro be toy izao, io dia tsy horakoraka anaty facebook ihany, fa ny fitiavan’ny olona  ,rehefa porofony dia hasehony, koa androany dia noporofoin’ny vahoakan’ny Antananarivo fa miaraka amin’ny Andry Rajoelina izy ireo » , araka ny fanazavan’ny Kandida Rajoelina Andry.  

Nangonin’i Michael RANDRIAMANANTENA

 

213 réflexions sur “ANTANANARIVO : TSY MIALA AMIN’i KANDIDA ANDRY RAJOELINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *