JOFA ACTE

Tetikasa JOFA ACTE: MIADY AMIN’NY FAMPIASANA ZAZA TSY AMPY TAONA

” Zon’ny zaza no mianatra, atsaharo ny fampiasana zaza any amin’ny Kariera Mica ” io ny loha-hevitra nentin’ny Projet Jofa Acte izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy , atrikasa vaovao izay tarihin’ny vondrona Eropeanina izay vatsian’izy ireo vola.

Izy io dia ho entina hanafoanana ireo zaza tsy ampy taona miasa any amin’ny Kariera. Faritra Androy, Anôsy distrikan’i Fort Dauphin no hanatanterahana ity atrikasa vaovao hiadiana ny fiasan’ny zaza tsy ampy taona eny amin’ny toeram-pitrandrahana ity.

Haharitra telo taona moa faharetan’ny atrikasa izay atao, ary manodidina ny 1100 eo no hisitraka ireo tetikasa izay ho atao.

Manana andraikitra lehiba amin’izany fiadivana ny fampiasana zaza tsy ampy taona izany daholo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hoy ny tompon’andraikitra, betsaka hoy izy ireo ny Zaza tsy ampy taona miasa hatramin’ny nisihan’ny Covid-19 izay eny na ny any ivelany aza, ka tokony handraisana fepetra hisoroana ny fahamaroan’ireo ankizy tsy ampy taona miasa.

Olivia R.

247 réflexions sur “JOFA ACTE

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *