KAOMININA AMPITATAFIKA

KAOMININA AMPITATAFIKA : HANATANTERAKA ASA SOSIALY

Araka ny efa fanaon’ny kaominina Ampitatafika isan-taona dia hisy ny fanomezana sakafo masaka maimaimpoana ho an’ireo ankizy hanala fanadinana CEPE 2023 . Misitraka io sakafo maimaimpoana io daholo ny mpianatra hanala CEPE ary efa vonona amin’izany ny kaominina sy ireo tompon’andraikitra hanatanteraka fizarana sakafo masaka . Izany moa dia ho entina hanampiana ireo ankizy sy ny ray aman-dren’ny mpianatra hanala fanadinana .

Ho fankalazana ny fetim-pirenena dia hisy ihany koa ny hetsika izay ataon’ny kaomina Ampitatafika ny 25 sy 26 Jona 2023 .
Ny 25 Jona dia hisy ny fotoam-pivavahana izay atao, aorin’izay dia handray fitenenana ny ben’ny tanàna Ampitatafika Rado RAMPARAOELINA, misy ihany koa ny fampisehoana iarahana amin’ny mpanankato Tempo Gaigy ary hisy ihany koa ny afo manga an’io fotoana io.
Ny 26 Jona kosa dia hisy ny “défilé” izay ho ataon’ireo mpianatra eo Ampitatafika ka ankizy manodidina ny 300 no hanao izany “défilé” izany .
Marihina fa maimaimpoana daholo hetsika rehetra .

Olivia R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *