HUG : ASA SOSIALY

“Association HUG,Humanity Generosity”:NANDRAY AN-TANANA IREO ANKIZY MANANA OLANA AMIN’NY FAHITANA

📌 Maro ny ankizy manana olana ara-pahitana amin’ireo raisin’ny fikambanana “HUG,Humanity Generosity” an-tanana.Tsy takatry ny fahefa-mividin’ny ray aman-dreny ny saran’ireny fitsaboana maso ireny;isany namporisika ny fikambanana nanao ny hetsika fihazana sy fanomezana solomaso maimaimpoana ho an’ireo ankizy,miaraka amin’ireo ray aman-dreny, sahanin’izy ireo ao amin’ny “HUG”.

Ankizy sy ray aman-dreny manodidina ny 150 teo no noraisina an-tanana tetsy Tsiadana,ny asabotsy lasa teo,ary nomena fitsaboana maso maimaimpoana avokoa.Niara-niasa tamin’ny “Opti’Chic”, mpitsabo maso sy mpizaha maso ;sy ny “Mada Groupage France”,mpamatsy solomaso ho an’ny fikambanana,no niara-nisalahy tamin’ny hetsika.

📌Raha ny nambaran’i Bodo, filoha mpitarika ny fikambanana HUG,dia enti-manala ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny no tanjona ,eo ihany koa ny fijerena akaiky ny fahasalamana ara-pahitana ny sahirana.
📌Fa ankoatra izay,dia nanatanteraka varotra ho fanampiana ny fikambanana i Bodo.

“Vide dressing”,na varotra akanjo sy kiraro ary fitaovana maro mbola azo nampiasaina,izay tsara ny manamarika fa akanjo sy kiraron’i Bodo avokoa ireo namidy ireo.Izany no natao,ho fanampiana hatrany ireo ankizy sahirana ao anaty fikambanana.Entina hanomanana ny fidiran’ny mpianatra moa no tena anton’io varotra io.Ary ny vola azo rehetra,dia hanosehana ireo ankizy anaty fikambanana ho lasa lavitra amin’ny fianarana sy hanala ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny.

✍️Alex R.

4 réflexions sur “HUG : ASA SOSIALY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *