HSMM : 10 TAONA

Fikambanan’ny mpikabary HSMM:NANKALAZA NY FAHA-10 TAONANY


🇲🇬Manana ny lanjany sy ny anjara toerany ny kabary raha ny tantara malagasy no jerena.Ary efa maro ny ankizy sy tanora misehatra sy mandalina io fomba malagasy io.Ny Fikambanan’ny mpikabary HSMM,na ny Hanitry ny Soatoavina Manandratra ny maha Malagasy dia anisan’ireo fikambanana mitaiza ny tanora amin’ny alalan’ny fampianarana kabary.Entina hampitana ny fomban-drazana moa no isan’ny antony voalohany hampianarana ny ankizy sy tanora,hoy ny filoha mpanorina ny HSMM , andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Mbolatiana Eugène.
🇲🇬 Nankalaza ny faha-10 taona nijoroany sy niorenany moa ny HSMM,ary efa namoaka zatovo sy ankizy maherin’ny 3000 ny fikambanana HSMM.Namoaka mpianatra ho mpikabary ny fikambanana ny alahady lasa teo tetsy Andohatapenaka,izay andiany faha-13 no navoaka tamin’izany,nampisalorana ny andiany Miharikanto;37 ankizy sy tanora no nandrafitra io andiany io,izay teo ambany fiahian’ny sekretera jeneralin’ny UNESCO.


Fampitana fahalalana sy fahaiza-miaina ny kabary ,ary koa fampahafantarana ny tantaran’ny malagasy ho an’ireo taranaka no antom-pisian’ny kabary.Soatoavina maro no voarakitry ny kabary malagasy ,ary efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vakoka malagasy ny kabary,raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana HSMM.


Alex R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *