Marc RAMIARINJATOVO : MILA MANDRAY ANDRAIKITRA NY KRISTIANINA

Marc RAMIARINJATOVO : MILA MANDRAY ANDRAIKITRA NY KRISTIANINA

▶Vahoaka marobe hatrany no nandray an’i Marc RAMIARINJATOVO – Filoha Nasionaly KRIMAAF na Kristianina Mandray Andraikitra eto amin’ny Firenena – Mpiandraikitra FOIBE FJKM – amin’ireo toerana izay tsidihany.

▶Ho an’ny teto Ambatolampy fitandremana Mandrarahody dia mpino miisa 8 000 no nanatrika ity fotoana ity.

Nisy ny diabe natao namakivaky ny tanàna mialohan’ny fotoana.

▶Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony dia nampanatena izy fa hanampy amin’ny fampandehanana ny Radio fahazavana aty an- toerana izay noraisin’ireo vahoaka tamin’ny tehaka mafy izany ary tamin-kafaliana.

▶Ny antony dia mba ahafahana manampariaka ny filazantsara sy ahafatarana bebe kokoa ny vaovao eo anivon’ny foibe FJKM

▶Nilaza tamin’ireo Kristiana koa izy fa mila mandray andraikitra ny kristianina ary mila mijoro ho an’ny Ankohonana sy ny fiangonana

▶Nisy moa ny fotoam-pivavahnana izay natrehiny filohan’ny SP Tsiroanomadidy sy ny biraon’ny SP nandritra ity fotoan-dehibe ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *