Gascar FENOSOA- Tana III : ” MAHAIZA MIFIDY SOLOMBAVAMBAHOAKA SAHY…”

Nitohy hatrany ny Fampilezan-kevitra izay niarahana tamin’i A/toa GASCAR Fenosoa laharana faha-3 ao amin’ny Boriboritany faha-3
Niezaka niditra lalindalina ny fitsidihana izany natao satria hatrany an’elakelan-trano ny tananan’i Soavinandrina dia voatety avokoa ,teo ihany koa Besarety (Tsena) Besarety (tananà),ary ny tananàn’ Ampandrana no namaranana izany fitsidihana izany.

Velo-taraina ny vahoaka nohon’ny tsy fisin’ny trano fivoahana na lavapiringa Ampandrana ka nanome toky izy noho izany fa hiezaka hanantanteraka ny filàn’ny vahoaka raha azo hatao satria tsy voatery ho hiandry ny Fitondram- panjakana foana hoy izy isika raha zavatra azo sy tokony hatao kanefa amin’ny fahefan-tsika.

Nilaza izy fa kely sisa ny fotoana ka mila miomana tsara isika amin’ny Fifidianana mba tsy ho diso safidy. Maro ny milaza fa vonona fa manadino an’ireo vahoaka rehefa tonga ao amin’ny Antenimierampirenana, fa isika kosa dia vonona hatramin’ny farany hiasa ho an’ny vahoaka satria tsy mpamita-bahoaka, hoy izy.

Mahaiza mifidy Solombavambahoaka mahasahy fa tsy olona komontsamontsana ary manantena an’ny Boriborintany faha-3 mba hanova ny tantara miaraka aminy araka ny voalazany hatrany tao anatin’ny fampielezan-kevitra omalin’ny 22 mai, izay herinandro mialohan’ny andron’ny fifidiananana Solombavambahoaka .

Orelia Mendrika

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *