FITSENANA MISS MAMAN

Miss Maman Madagascar 2023 : NAKOTROKA NY FANDRAISANA AZY TANY ATSIMO ATSINANANA

Naresaka ny fitsenana ny Miss Maman Madagascar 2023 ny Docteur ZAFINDRASOA Elisoa Murelle tany Atsimo Atsinanana. Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika izy tao Farafangana. Nitarika izany lanonana izany ny Préfet n’ i Farafangana Docteur RAMAROSON Moïse – izay natao tao amin’ny Austral Hotel. Naresaka toa izany koa ny fandraisan’ny vahoaka azy tao Vangaindrano.

Nisolotena ny Faritra Atsimo Atsinanana izy tamin’ity fifaninana ity ary nibata ny amboara – nisalotra ny andiany Mamiratra. Voninahitra ho an’ny Faritra nosoloiny tena tokoa izao hoy ny solotenal-panjakana nanotrona ny lanonana fitsenana azy.

Fotoana iray nanasongadinan’ i ZAFINDRASOA Elisoa Murelle ny tetikasa izay hataony amin’ny maha Miss Maman Madagascar 2023 azy koa ity fotoana ity ka nanambarany fa mifantoka kokoa amin’ny fanomezan-danja ny maha reny sy ny vehivavy ny Tetikasa ho ataony.

kwan R.

207 réflexions sur “FITSENANA MISS MAMAN

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *