Fanamarihana ny 29 Martsa : NOSOKAFANA TAMIN’NY FIZAHAM-PAHASALAMANA AN’IREO BEKOTRO MARO HOLATRA

Fanamarihana ny 29 Martsa : NOSOKAFANA TAMIN’NY FIZAHAM-PAHASALAMANA AN’IREO BEKOTRO MARO HOLATRA

Nosokafana androany 22 Martsa 2023 tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny zaridain’Anosy ny fanamarihana ny faha-76 taonan’ny tolom-panafahana 29 Martsa 1947. Izany dia ho entina nahatsiarovana ireo mahery fo tamin’izany andro izany ary koa entina ankasitrahana ireo bekotro maroholatra sisa tavela tamin’izany.

Nisy ny fizaham-pasalamana natao tamin’izy ireo tamin’ity fotom-panokafana ity. Hita ao amin’ny zaridain’Anosy ao ihany koa ny fampiratiana ireo sary maneho ny tolom-panafahana tamin’izany fotoana izany , izany dia haharitra hatramin’ny faha 28 Martsa 2023.

Olivia R. / Alex R.

Reportage : ANNIE ANDRIAMIHAJA

Photo : HERINIAINA RAMAMONJISOA

218 réflexions sur “Fanamarihana ny 29 Martsa : NOSOKAFANA TAMIN’NY FIZAHAM-PAHASALAMANA AN’IREO BEKOTRO MARO HOLATRA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *