Lycée St Champagniat Anatihazo Isotry: MANKALAZA NY FAHA-66 TAONANY

Mankalaza ny faha-66 taonany ny sekoly St Champagniat Anatihazo Isotry, ka nisy ny fotoam-pivavahana lehibe nentina nankalazana izany. Araka ny nambaran’ny talen-tsekoly dia zava-dehibe ny fanabeazana ny tanora.

Manana tanjona ny sekoly dia ny hananan’ny  ankizy fahaizana, fahendrena ary finoana amin’ny maha mpianatrin’ny sekoly katolika azy .

Raha amin’izao dia misy ny ankizy na ny tanora miala an-daharana any an-tsekoly.  Ny   fahasahirananan’ny ray aman-dreny matetika no anisan’ny anton’izany eo ihany koa anefa ny ditran’ny tanora toy ny fidorohana zava-madomelina . 

Izany indrindra no antom-pisian’ny sekoly  mitarika ny ankizy sy ny tanora  amin’ny  fitaizana , eo ihany koa  ny  fanomezana ireo   fitsipika mifehy eo amin’ny sekoly ary ny fanentanana azy ireo amin’ny tokony hataony.

 Ny fianarana tokoa no lova tsara indrindra.

Olivia R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *