DISTRIKAN’ANTANIFOTSY : HANOHANA NY FITONDRANA NY DEPIOTE RAJOELIMALALA HERIHASINA ELJO


SOLOMBAVAMBAHOAKA VOAFIDY TAMIN’NY ANARAN’NY TSY MIANKINA TANY AMIN’NY DISTRIKAN’ANTANIFOTSY, RAJOELIMALALA HERIHASINA ELJO

“TSY MAINTSY MIARA-MIASA AMIN’NY FITONDRANA MBA AHAFAHANA MITONDRA FAMPANDROSOANA”, hoy ireo ekipa politikan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy
tamin’ny anaran’ny tsy miankina tany amin’ny distrikan’ Antanifotsy.

Efa nangataka tamin’ny Filoham-pirenena ho kandidan’ny vondrona politika IRMAR ity solombavambahoaka ity saingy tsy voatsonga ka nirotsaka tamin’ny anaran’ny mahaleotena.
Nilaza tamin’ny vahoakan’Antanifotsy kosa anefa izy nandritry ny fampielezan-kevitra fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny Fitondrampanjakana mba hisian’ny
fampandrosoana ao amin’ireo kaominina 14 mandrafitra ny distrikan’Antanifotsy.

Koa tsy famadihana palitao politika na famitahana ny vahoaka nifidy ny antony anohanana ny Fitondrana fa safidy ny fampanjariana ny
politikam-pampandrosoana voarakitry ny Politika ankapoben’ny Fitondrampanjakana

Mathieur R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *