Depiote mpiara-dia amin-dry Siteny sy Voninahitsy: MITARAINA HO HIHARAN’NY ANTSOJAY

Nampiaka-peo ry Depiote Jean Jacques RABENIRINA sy ny Depiote VONINAHITSY Jean Eugène fa hiharan’ny antsojay ny fitetezam-paritra hataony amin’ny alalan’ilay hetsika MIHAVA TOUR, iarahany amin’i Depiote Siteny RANDRIANASOLONIAIKO.

Mitaraina izy ireo fa tsy navoakan’ny ACM ny fahazon-dalana hisidina an’ny fiaramanidina manokana tokony hitondra azy ireo ho any Manankary androany maraina.

Androany antoandro no tokony hivoaka ilay taratasy fahazoan-dalana saingy tsy nivoaka mihitsy hatramin’ny ora farany.
Hanatrika sy handray Anjara amin’ny fanaovan’ny Deputé Haja Charlot, tatitra amin’ny vahoaka ao Mananjary no anton-dia, sady hanentana ny MIHAVA TOUR (Mihaino Antsika Vahoaka) ihany koa saingy izao ny zava-misy.

Niantso mpanao gazety izy ireo ary nanambara fa tsy azo ekena ny 5 antsojay amin’ny hetsika izay hataon’izy ireo.

Depiote miisa enina izy ireo no tao anatin’ilay lisitry ny mpandeha izy tsy nahazo alalana dia Voninahitsy Jean-Eugène, Jean-Jacques Rabenirina, Edizara, Djaosera Irénée, Mohamad Ahmad ary Siteny Randrianasoloniaiko.

350 réflexions sur “Depiote mpiara-dia amin-dry Siteny sy Voninahitsy: MITARAINA HO HIHARAN’NY ANTSOJAY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *