2023: TAOM-PIFIDIANANA

Tafiditra ao anatin’ny taona fanomanana fifidianana tanteraka i Madagasikara amin’izao fotoana izao.Ka maro ny mpanao politika sy vondrom-politika maneho hevitra mahakasika ny hoavy atrehan’i Madagasikara amin’ity taona 2023 ity, indrindra ny raharaha politika.

Ny lafiny fifidianana no tena misarika ny sain’ny mpanao politika maro,ka nisy ny fanadihadiana natao.

Raha ny hevitry Pasitera MAILHOL,dia ahiana ny tsy hisian’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity.Eo ny antony tsy fahampian’ny tetibola enti -manomana azy.Eo ihany koa ny mbola tsy fanambaran’ny CENI ny datin’ny fifidianana na dia efa volana janoary ary isika izao.

“Tokony efa namoka daty ny CENI,izay hanatanteraka ny fifidianana,fa mbola namoaka izy ireo hatramin’izao,mety tsy hisy mihitsy izany io fifidianana io raha izao”,hoy hatrany i Pasitera MAILHOL.Ho maizina ny tontolo politika,sosialy, ara-bola raha eto Madagasikara no jerena .Tsy mari-toerana ihany koa ny politika,tsy mifanara-tsaina avokoa na momban’ny fitondrana na eo amin’ny fanoherana .

Tokony hitady hevitra ny mpitondra,handaminana ny raharaha politika eto amintsika,ary mijery vahaolana faran’izay haingana ny fanjakana mba hahatongavana any amin’ny fifidianana milamina.

Raha ny hevitry ny antoko HVM indray no nanontaniana dia,tokony efa miomana sahady amin’ny fifidianana ny vondron’antoko rehetra,hoy ny mpitarika ny Jeune HVM, andriamatoa RATSIMBA.Misy ny fepetra maro azo arahina entina hakana ny fahefana eto Madagasikara,dia ny fifidianana izany.

Efa vonona tanteraka ny Jeune HVM hiatrika izany fifidianana izany raha ny nambaran’ny mpitarika hatrany,ary vonona ny hiara-dia amin’ny hery fanoherana na ny antoko mpanohitra izy ireo.Maro ny lesoka hita amin’izao fanomanana mialohan’ny fifidianana izao;fa kosa tsy entina hampihemotra anefa izany.

Manentana ny olom-pirenena rehetra ny jeune HVM,handeha hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ary koa hanamarina izany eny amin’ny fokontany misy tsirairay.

Alex R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *