Wednesday Morning Group: HANATANTERAKA VAROTRA FAMPIRANTIANA NY 02 APRILY 2023

WMG Wednesday Morning Group: HANATANTERAKA VAROTRA FAMPIRANTIANA NY 02 APRILY 2023

Ny 02 Aprily 2023 izao no tanterahina eny amin’ny Carlton Anosy ny hetsika varotra fampirantiana manodidina ny vokatra sakafo azo avy amin’ny sokola, ny fikambanana WMG Wednesday Morning Group no mpikarakara ny hetsika . ity fampirantiana ity no hetsika voalohany izay hataon’ireto fikambanan ireto , ka ny vola azo rehetra amin’izay dia hoentin’izy ireo ho fanampiana ny mpiara-belona aminy, ao ihany koa ny fanatsarana ny sekoly toy izay efa nataony tany amn’ny sekoly EPP Betsizaraina Kaomina Ankadikely.

60 taona nanao asa soa ny fikambanana WMG (Wednesday Morning Group). Fikambanan’ireo diplaomaty vehivavy sy vadina diplaomaty eto Madagasikara no miara-mivondrona manantanteraka ny asa, ary mbola mitohy manao asa soa izy ireo ankehitriny.

Mandritra ny fampirantiana dia hatratra 30 ireo trano heva ho hita amin’izany izay ahitana karazana sakafo avy amin’ny sokola,ho hisy ihany koa anefa reo sakafo masira izay ho hatao varotra mandritra io fotoana io.

Andry Rakotonirainy

64 réflexions sur “Wednesday Morning Group: HANATANTERAKA VAROTRA FAMPIRANTIANA NY 02 APRILY 2023

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *