Ankatso

Zava-nisy teny Ankatso: FIJOROANA VAVOLOMBELONA NATAON’NY FILOHAN’NY MPIANATRA

Manoloana ilay zava-nisy omaly teny Ankatso izay niteraka resabe dia nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ny filohan’ny Mpianatra , io androany Io, teny Ankatso. Tsy mpianatra no nanao an’iny ary tsy mpampianatra hoy ireto nijoro vavolombelona. Vao sambany koa no nisy an’iny teny…

Nambaran’ireto Mpianatra ireto fa voaporofo sy voamarina fa tsy mpianatra sy mpampianatra velively no nanao ilay fihetsika mamofady.

Efa nametraka fepetra ny”faculté” manoloana ireny zavatra mitranga tsy mendrika ireny
Araky ny fanadihadiana natao no nahafatarana fa sady tsy mpianatra no tsy mpampianatra no nanao ilay zavatra mamoafady, marihina moa fa tsy nilaza ilay olona hafa akohatran’ireo voalaza ireo ireto filohan’ny mpianatra ireto, ny antony dia tsy anjaran’izy ireo no tokony ilaza izany!

Manaratsy endrika ny Oniversite ireny tranga
omaly ireny – milaza anefa izy ireo fa ny Oniversite dia tsy mendrika zavatra toy ireny satria tranom-pahalalana sy fandratoana fahaizana ny Anjerymanontolo fa tsy fahalalana diso.

Nametraka fepetra mafy ny “faculté” tsirairay manoloana ny zava-misy toy ireny.
Nanamarika izy ireo fa sambany vao nisy ny zavatra mamoafady toy izao tao amin’ny Oniversite

Elisa Razafy

13 réflexions sur “Ankatso

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *