AN TSIMBAZAZA: NANDINIKA LALANA MIISA ROA

Lalàna roa no nodinihin’ny solombavambahoaka androany faha-13 desambra 2022 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

Nankatoavina araka izany ny Volavolan-dalàna laharana faha-019/2022 tamin’ny 16 Novambra 2022 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au financement additionnel du Projet de Durabilité du Secteur Routier à Madagascar conclu le 03 Octobre 2022 entre la République de Madagascar et l’Association Internationale de Développement (IDA) » izay findramam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara na 418 miliara 189 tapitrisa Ariary entina hanamboarana ny lalampirenena.

Ny faharoa dia ny Volavolan-dalàna laharana faha-017/2022 momba ny lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2023 izay nodinihina fanindroany rehefa nasian’ny Antenimierandoholona fanovana. Tapaka nandritra ny fivoriambe fa ireo fanitsiana nataon’ny Antenimierandoholona dia neken’ny solombavambahoaka avokoa.

359 réflexions sur “AN TSIMBAZAZA: NANDINIKA LALANA MIISA ROA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *