Onjam-peo FANAMBARANA :NANOME AINA VAO NY ANKOHONANA MARO NY FISIANY

Nisy vokatra lehibe teo amin’ny fiainan’ny ankohonana maro ny fisian’ny onjam-peo Fanambarana.Teo ihany koa ny fivoarana amin’ny lafiny finoana,izay isan’ny anjara biriky noentin’ny onjam-peo teo amin’ny fiaraha-monina.Mampisy vokany amin’ny lafiny finoana an’ilay mpahary ny fametrahana ny mari-drefin’ny Fanambarana ho isan’ny onjam-peo azo henoin’ny rehetra.Natao ho fitaizana ny onjam-peo ary efa nahitana vokany izany.

Misokatra ho an’ny rehetra ny onjam-peo araka ny nambaran’ny filoha mpamorona ny monjam-peo FANAMBARANA.

Tao anatin’ny 25 taona nijoroan’ny onjam-peo FANAMBARANA,dia nametraka tsangambato lehibe izy ireo tamin’ny alalan’ny fahavitana ny trano fitenenana vaovao,izay vao notokanana tsy ela koa izay.Raha ny nambaran’ny Pasitera MAILHOL Dieu Donné Christian,dia tsy manana famatsiam-bola ny fivavahana apokalipsy,fa ny fahafolon-karena no hamitana ny asa rehetra.

📌 Ankoatra izany,dia naneho ny fanehoan-keviny momban’ny zava-nisy teny amin’ny doany Ambohimanga i Pasitera MAILHOL,”Tsy tokony hijabaka ny fomban’ny olon-kafa ny fiangonana ,fa samy manana ny mahasoa azy.Tsy mbola nandeha tany amin’ny toeram-pivavahana misy ireny fiangonana ireny ny mpandala ny fomba malagasy,ka tokony hapetraka hatrany ny fifanajana.”Raha ny nambaran’ny Pasitera MAILHOL hatrany dia tsy tokony nandia ny toerana akory ireo mpivavaka,ho fanajana ny hafa.

Nanatanteraka fotoam-bavaka teny amin’ny Coliseum Atsonjombe moa ny mpino apokalipsy,ho fankalazana ny fetin’izy ireo.

Alex R./Olivia R.

apok

944 réflexions sur “Onjam-peo FANAMBARANA :NANOME AINA VAO NY ANKOHONANA MARO NY FISIANY